• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fiverr
Image
Tantara

Tantara indray miseho - Fombafomba nandrava efa

28/08/2024 16:01 © Moov

Anisan'ny imasoana fatratra ny famerenana indray ny hasin'ireo fomba malagasy maro. Misy tokoa ireo fomba mahasoa sy mampihavana, saingy heveriko fa misy tokoa ireo fomba mamimba sy mandrava efa ka mila ialana im-pito mandifotra olona.

Tsara fiandohana

Tena tia fianarana aho. 5 taona no nianarako teny amin'ny Ambaratonga Ambony teto Madagasikara, saingy tsy nisangy tamin-dehilahy mihitsy aho. Nahazo vatsimpianarana aho avy eo ka nianatra tany am-pita. 25 taona aho no niala teto an-tanindrazana, ary 3 taona no faharetan'ny fianarako. Tany Etazonia, teo amin'ny faha-26 taonako no nifoha ny fitiavako. Vitsy ny teratany Malagasy tany an-toerana ka lasa mpinamana avokoa izay sendra mifanena rehetra, na ireo mpiasa na ireo mpianatra. Toa ny nandeha hoazy izany ny fifandraisana teo amiko sy i Marco, tovolahy Malagasy, 30 taona. Namarana ny fianarany izy, sady efa miasa amina orinasa matanjaka.
-Mahafinaritra ahy loatra ny miaraka aminao ry Kanto. Manaiky ve ianao raha hiara-mipetraka amin'izay isika ? Efa Telo volana anie izay no niarahantsika e !
-Vao telo volana hoe ! Aleo aloha isika samy manana ny fiainantsika ihany ka. Mbola mifampizaha toetra tsara dia ho hita eo e. Sady tsy tiako koa izany manao tokantrano maso izany, na dia aty an-tany lavitry ny ray aman-dreny toy izao aza.
-Eny re a, tsy olana izany fa mahandry foana aho e.
Samy tsy avy ao Antananarivo na izaho na i Marco. Isaky ny miresaka izahay dia hamafisiny tsara foana fa tena mpandala fomban-drazana izy. Tsy nanome tsiny azy aho satria ny fianakaviako koa mba misy fomban-drazana mbola hajaina tsara. Tsy tena nosainiko tsara nefa ireo karazana fomba tena mila hajain'izy ireo. Rehefa vita ny fianarako, izany hoe tamin'ny faha-28 taonako, dia niverina teto an-tanindrazana izahay. Efa nahangom-bola misimisy rahateo satria efa niasa tsara i Marco nandritra ny taona maro. Faly ery i dada sy neny raha nilazako fa sady vita ny fianarako no hanambady aho. Vao tonga izahay dia namantana tany an-trano, ary nifanaraka fa afaka herinandro vao ho any amin-dry Marco.
-Mankany amin'ireo fianakaviako izahay amin'ny herinandro, ary miara-miverina aty avy eo manao ny fombafomba rehetra ny amin'ny fanambadianay sy Kanto
-Tsy olana izany r'ise ah, efa mivonona tsara izahay handray anareo. Dia ahoana moa izany ny fanamasinana ny mariazinareo ? Any aminareo ny fiangonana sa aty aminay ?
-Tsy dia resy lahatra ny amin'ny fivavahana aloha ireo havako. Fanambadiana ara-pomba malagasy ihany no atao. Tsy dia mety aminay ihany koa ny hoe hisoratra ara-panjakana izany.
Somary taitra, na izaho na i dada sy neny, ny amin'ity fanambadianay ity. Vodiondry izany dia vita hatreo. Na dia tsy any Antananarivo aza izahay, aty an-drenivohitry ny faritany iray no misy anay ka efa be mpanao ny fisoratam-panambadiana sy ny mariazy any am-piangonana. Nila resaka tamiko ireo ray aman-dreniko ka nangataka ahy mba handinika tsara. Tsy laitra nakisoka nefa aho, ny foko efa tia rahateo. Nanaja ny safidiko i dada sy neny ka nanome tsodrano. Rehefa teny an-dalana, hamonjy ny tanindrazan'i Marco, niresaka izahay ka nanomboka teo ny ahiahiko.
-Vao tonga isika dia mamantana any amindry dada
-Fa iza avy moa izany no miara-mipetraka amin'ny rainao ry Marco ?
-Dada, nenitoako roa ary iray tampo amiko telo
-Fa aiza izany ny reninao ? Anabavin-drainao ireo nenitoanao roa ireo ?
-Lahitokana i dada ka. Ary aza dia be fanontaniana moa e ! Isika roa no hivady anie fa tsy hoe ianao no hanambady ny fianakaviako e ! Rehefa tonga any dia miomana manaja ireo fomba sy fadifady ambaran'ireo olobe anao.
Toa nosembanin-drahona tampoka ilay andro namiratra. Toa hafahafa izany hoy aho tany an-tsaiko, nefa noheveriko fa tsy hanimba ny tokantranonay izany satria olona manam-pahaizana i Marco. Tsara fandraisana tokoa ireo fianakaviany tany, saingy toa tsy nisy azoko hoe iza no iza, indrindra fa ny rohim-pihavanana. Olona 10 teo ho eo no nangataka ahy tany amin'i dada sy neny. Nijanona tao telo volana izahay dia nody tany an-tanindrazan-dry Marco indray.

Ratsy fiafarana

Nilamina tokoa ny tokantranonay nandritra ny telo volana voalohany. Efa nitoe-jaza mihitsy aza aho. Nanana tanàna be mitokana ihany koa izahay mivady, ka tsy dia nifandray firy tamin'ireo havan'i Marco. Vao tonga iray volana teo ho eo izahay dia nampiomana ahy i Marco fa hisy fety ara-drazana lehibe. Maro ireo zavatra nasainy novidiako teny an-tsena, toy ny lambahoany, ny labozia, ny tantely ary ny toaka gasy. Tsy be fanontaniana aho satria toa niova lasa kizitina izany ny vadiko isaky ny mila fanazavana mikasika ny fomban-drazan'izy ireo aho. Namoaka volabe ihany koa i Marco nividianana omby 3 sady hoe hanaovana adidy isankarazany hono.
-Fa angaha tsy ifampizarana ny fandaniana rehetra ry Marco ?
-Fa ianao ity ve vehivavy tsy misy saina e ? Fianakaviako efa sahirana ireo no terenao handoha vola ? Isika anie tsy hoe tsy manana e, sady izay avy any an-dafy !
-Izaho anie tsy maninona e, fa tiako kokoa raha mba teny ierana ny zava-drehetra.
Tonga ny andron'ny fety ka niakanjo mena izahay mivady, ary nanao satroka tsihy somary matsoko loha. Nisy havoana kely tsy navelan'ireo olona tany nandehanako, fa ireo lehilahy matanjaka ihany hono no mankany. Rehefa vita ny sakafo, nody aho satria toa maharitra be hono ny fomba ataon'izy ireo. Maraina i Marco vao nody satria toa hoe natory tany amin-drainy tany.
-Fa inona ry Marco no nataonareo tao omaly ? Ary toa maratra be toy ny nodidiana tamin'ny antsy izany ny sandrinao ?
-Aza be fanontaniana ho'aho ianao. Fomban-drazana daholo izao. Ary miomàna ianao fa hananana rahavavy manomboka izao, hiara-mipetraka aminao ato izy.
-Izany ve ? Anabavinao sa havana akaiky ? Nahoana ianao no tsy mba niteny mialoha na nifampidinika tamiko ?
-Fa iza no loham-pianakaviana ? Tsy efa nanaiky ianao fa hanaja ahy ? Tsy anabaviko na havako ilay vehivavy fa vadiko faharoa. Izany anie no nilàko omby maromaro nangatahana azy tamin'ireo ray aman-dreniny e !
-Fa loza inona ity lazainao ? Hampirafy ahy izany ianao io ?
-Fombanay izany ramatoakely ah, afaka manambady hatramin'ny 5 na 7 mihitsy aza izahay. Mifanaraka sy mifankatia ny vadinay fa tsy mifampitondra tahaka ny mpirafy akory. Ka inona no mampatahotra anao ? Ianao anie no vadibeko e !
-Tsy mety amiko kosa izany ry Marco. Dia tsy menatra akory ve ianao mivadika amin'ny fifankatiavantsika ?
-Izany ho'aho no fomba aty ! Ary lasa aho fa tokony diovinao ny efitrano ao ambany rihana handraisana azy.
Nigogogogo nitomany tahaka ny zazakely aho. Toa maizina tamiko ny tany aman-danitra, nefa ny ora vao tamin'ny 8 ora maraina. Tsy hitako izay natao, saingy nanangona hery aho satria mamiko loatra ny sombin'ny aiko. Niomana aho dia nivoaka niantsena. Teny an-dalana nody aho no nisy ramatoa nisakana ny lalako. Taitra mafy aho, nefa toa tsy nampahatahotra ahy ny endriny satria feno tsikitsiky, sady toy ny vahiny fa tsy tompon-tany.
-Ianao no Kanto vadin'i Marco ?
-Eny tompoko, fa ianao no iza raha tsy mahadiso ?
-Ra-tine, tena renin'i Marco !
-Fa naninona ianao no tsy mba teo tamin'ny raharahanay ? Tsy hitako ihany koa ianao tamin'ilay fetibe omaly !
-Mbola ho lava retsy ny resaka, fa sao afaka mandroso an-trano aho dia any isika mianaka miresaka misimisy kokoa.
Tsy nahasarotiny ahy ny nampandroso ilay ramatoa. Marco rahateo alim-pody lava tao ho ao. Noborahin'io ramatoa io tamiko fa vadin'ny dadan'i Marco voalohany izy. Tsy nahazaka ny vady maro nentin-drangahy tao an-trano nefa izy ka naleony nafoiny ny zanany. Nitsoaka tany Iarivo hono izy, ary lasa mpivavaka be satria mahery ody be ry Marco mianakavy. Tsy nisalasala aho namboraka raminy fa mikasa hampiditra vady faharoa sahady i Marco.
-Fantatro anaka fa tianao ny zanako, saingy raha mbola te hitazona ny hasinao ianao dia mila miala eto haingana
-Bevohoka anie izaho ry maman'i Marco e ! Toy ny ahoana ny fahadisoam-panantenan'ireo ray aman-dreniko raha mahita ahy mody miaraka amin'ny zaza tsy manandray intsony ?
-Marina anie izany e, fa hevero ny fiainanao, zakanao ve ny hiara-hiaina amin'ny rafinao mandrapahafatinao ?
Tsy naharitra ela ilay ramatoa fa nametrahany laharana finday aho dia lasa izy. Nilaza tamiko izy fa tsy afaka mijanona ela tao an-tanàna.

Tara-masoandro manazava haizim-pito

Ny ampitson'io ihany, tonga tao an-trano ilay vadin'i Marco faharoa. Tsy ratsy fijery ahy tokoa aloha rakalakely e, toy ireny havana hiara-honina ireny. Avy nisaika ilay vehivavy dia nihidy tao ambany tao izy sy Marco. Ny alin'iny dia tsy nety niara-natory tamin'i Marco aho, nefa felaka tehamaina no valin'izany. Norahonany mafy aho, fa tsy misy ilàny ahy hijanona ao an-trano hono raha tsy hanao izay hahafa-po azy akory. Tsy nety hitondra ahy ho any amin'ny dokotera any an-drenivohitra lavitra ihany koa izy. Natsipiny ny lakilen'ny fiara, ary noteneniny aho mba hijanona any amin'ny trano fandraisam-bahiny rehefa avy mankany amin'ny dokotera sao ho reraka satria lavitra ny lalana. Lasa tokoa aho, ary niainga vao maraina be. Nantsoiko ny reniny hiaraka amiko, satria haiko tsara fa tsy mbola lasa nody any Iarivo.
-Misaotra re mama Tine manaiky miaraka amiko a, mafy anie ny anaovan'i Marco ahy ao e !
-Aza matahotra ianao fa hanampy anao aho raha mbola azoko atao.
Teo am-panaovana écographie no nahafantarana fa kambana ny zaza tao an-kiboko. Somary kivikivy ilay rasazy, satria toa efa hainy ny fomban-tany eny amin'ny manodidina eny. Nampiomana ahy koa izy fa mila mitady hopitaly hafa aho hiterahako sao ho enjehin'olona eny izy hoe nanota Fady. Tsy nahateny aho. Tsikaritry ny renin'i Marco ny fahatairako ka niteny ahy izy mba hivoaka atsy ivelany aloha.
-Tsy maintsy niresaka tamin'i Rasazy aho sady nanome vola kely azy mba tsy hitenitenenany ny zava-misy na amin'iza na amin'iza
-Fa inona ry mama no fahotana vitako no toa hafahafa be izany ianareo vao hoe kambana ny zaza ato an-kiboko ? Tsy fahasoavana ve izany ?
-Fady amin'ireo foko ireo ny mitaiza zaza kambana ry Kanto ! Tsy maintsy vonoina ny iray rehefa teraka.
Latsaka indray ny ranomasoko. Tapaka ny hevitro fa hody any amin'i dada sy neny aloha izaho, na tsy nisaraka tamin'i Marco aza. Niteny tamiko ny renin'i Marco fa tsy ho tafavoaka io faritra io izahay, noho ny herin'ny ody ratsy. Tsy maintsy nisy fombafomba ara-pivavahana nataonay izany, mba ho tody soa any amin'ny tanindrazako aho. Nisy fepetra maro nambaran'ny renin'i Marco ihany koa. Mody nantsoiko i Marco nilazako fa mbola hiantsena ny entan'ny zaza aho ka mety haharitra kely.
-Omeo ahy ny lakilen'ny tranonareo, angalako ny atin'akanjon'dry rehetra. Alaiko ihany koa izay entana tena fampiasandri, ary hotaiko Fady ny trano, mba tsy amelezany an'dri intsony amin'izay entana tsy ho zakako.
-Efa ao anie ilay vehivavy iny ry mama e ! Tsy hiala ao izany iny !
-Alarobia anie androany e ! Raha vehivavy tompon-tany tsy maintsy manasa lamba, ka efa mody masoandro vao mangoron-damba vao mody. Ataoko fotsiny izay tsy hahatratraran'i Marco ahy. Mivavaha ho ahy, izay ihany no angatahako aminao.
Tena nambinin-janahary i mama ka tafaverina soa aman-tsara, tsy nisy nahatratra. Tamin'ny 5 ora hariva teo ho eo izy no tafaverina ka tapa-kevitra izahay fa hatory aloha, ary hanao ireo fombafombam-pivavahana noteniny. Ny ampitso vao maraimbe izany no hoe handehananay hamonjy ny ray aman-dreniko. Nandrehitra labozia izy, nanokatra baiboly, nandoro emboka manitra ary nanonona tonom-bavaka teo. Niombom-po taminy aho, na dia tsy lasa lavitra loatra aza tamin'ny fivavahana. Nomeny rojo misy sarina lakroa ihany koa aho ka niambozonako izany. Toa ny nihovitrovitra mihitsy ny trano, saingy tsy naharitra ela izany. Tafavoaka ny tanàna soa aman-tsara izahay, ary tongasoa tany amin'i dada sy neny. Navelako tany an-tanàna moa ny fiaran'i Marco, satria ny fiaran'ny reniny no nentinay.
-Fa ahoana izao ry Kanto a ? Nisaraka sahady angaha ianareo ?
-Tena devoly velona ny anao lahy ry dada sy neny !
Notantaraiko teo avokoa ny nanjo ahy. Namboraka tamiko i neny fa efa nanofy ratsy be mikasika ahy sy ireo zanako. Tena afa-doza hono aho ! Nijanona tao aminay aloha ny renin'i Marco, ka hoe hampifana ahy. Koa satria tsy nandeha intsony ny findaiko, tonga tao aminay i Marco roa herinandro taorian'ny nanjavonako.
-Ikala tsy matahotody ity ? Fa nahoana itena no mitsoaka nefa miaraka amin'ny zanako ?
-Izato fomba fiteninao ry tovolahy ? Nalaina ny zanako nefa nohitsakitsahina, tsy nohenoin-teny sady nampanarahina fomba ratsy. Aty aminay angaha izy misy maha-ory azy ?
-Efa nalaiko taty io, ahy izy izany ! Sady manota Fady, hay moa nampianarin-dramatoa Tine ratsy ! Ngah tenisany raha mpivavaka dia miseho manambany any mpandala fomban-drazana ? Ho hitan-tenisany izany ! Na anay tenisany na ny fatin-tenisany no hivoaka an'ity trano ity !
-Mandehana ianao ry Marco mandeha, fa tsy misy anjaranao intsony eto, ary tsy misy zanakao aty. Hadinoy hatreo ny momba ahy.
-Lasa aho ry ikala totoam-bitana ity ah, tandremo mitaditady ahy fa tsy hahita. Tsy misy rainy ny zanak'itena.
-Mba olona manam-pahaizana niampita ranomasina ve ianao ry Marco dia mbola manaiky badoin'olona amin'ny fomba ? Tsy hanana ny maha-izy azy anao mihitsy ianao ?
-Mangina tena e ! Tsy atakaloko ny fianakaviako sy ny fomban-drazako raha izay itena !
Teraka soa aman-tsara aho : kambana mianadahy ! Tsy fantatr'i Marco akory hoe kambana ny zaza tao an-kiboko. Nifindra monina nanakaiky anay ny renin'i Marco satria tsy nahafoy. Matetika dia toa nisy hery nanindry ahy sy toa nisintona ahy hitsangana izany, saingy raha vao mitady hanao "crise" aho dia mivavaka avy hatrany. I mama ihany koa miray efitra amiko fa mandroaka ny asan'ny maizina. Efa 15 taona izao izy mianadahy. Ananarako taranaka fara aman-dimby ny tsy hanambady olona tsy mitovy fomba amin'ny tena, mba tsy hahitan-doza. Samy manana ny "mety" sy ny "tsy mety" aminy mantsy, nefa sahiko ny milaza fa mbola maro isika malagasy no sahy manitsaka tokantrano sy manala aina noho ny fombafomba isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires