• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Psy In You
Image
Tantara

Moov Confidences : Mpivarotena niova fo ny vadiko !

23/12/2024 09:07 © Moov

Misy vokany avokoa ny atao, na ny tsara na ny ratsy, na ho ela na ho aingana. Manimba fianana sy taranaka ny fitiavam-bola sy voninahitra. Tsy vitsy ireo mihevitra fa azo vidiana ny zavatra rehetra, ka anisan'izay ny fitiavana. Soa ihany, tsy mba midify ny tena anjaram-pitiavana.

Tokantrano niorina teo ambony fasika

Faly ery i dada sy i neny : vao nahavita fianarana aho dia nahita asa. Nanan-katao ihany koa ireo ray aman-dreniko ka tsy ela akory aho dia nahazo trano sy fiara ahy manokana. Anisan'ireo tovolahy mitokatokana nefa aho teny amin'ny Ambaratonga Ambony ka tsy dia nanao sipa izany. Tamina fetin'ny orinasan'i dada no nampihaonina tamiko ny tovovavy iray. Zanaka tompona orinasa goavana sady matanjaka ihany koa izy io. Tsara tarehy sy manam-pahaizana, tsy misy tomika sady tsy misy kianina, no tena be tsikitsiky ity izy, nefa tsy dia nanaitra ahy. Nampiantso ahy manokana i dada sy neny avy eo fa io tovovavy io hono no mba irian'izy ireo ho vadiko. Niezaka nandà ihany aho fa tsy nahatohitra, sady tsy te hanala baraka an-draiko. Tsy ampy enim-bolana taorian'ny nihaonanay voalohany dia natao ny mariazinay, nefa azo isaina amin'ny ratsan-tanana ny fotoana mba nifampiresahanay. Tsy nisy fahasarotana mihitsy ny fikarakarana rehetra satria samy nanana ny enti-manana na izahay roakely na ireo ray aman-dreninay. Tonga dia tao amin'ilay tranoko izahay no nipetraka.
Tsy fantatro loatra izay fitiavan'io vadiko io ahy. Toa nokitakitanina avokoa ny zava-drehetra mantsy. Vao feno roa volana ny nanaovana ny mariazinay dia niteny tamiko ny vadiko fa bevohoka. Rehefa nanisa tsara aho dia teo amin'ny 7 volana teo ny kibony, izany hoe 7 volana taorian'ny mariazinay (alina voalohany niarahanay) dia teraka izy. Tsy dia naka sarotra aho satria zaza voalohany. Ampy lanja tsara nefa ny zazakely na izany aza."Rythme" be ny fiainanay ka tsy dia nifampiresaka firy. Na ny mifanoroka isaky ny hivoaka aza tsy mahazatra anay. Nitsiriritra anay avokoa nefa ny havana, ny namana sy ny manodidina. Tena nangatsiaka ny tokantranonay raha ny tena marina, saingy ny mpijery no mahita mamirapiratra. 5 volana latsaka kely ny zanakay tamin'ny tsingerintaona voalohan'ny mariazinay, saingy io zaza io angamba no tena nampitambatra anay. Toa niroborobo be ihany koa ny orinasan'i dada noho ny fiaraha-miasany tamin'ilay rafozako.

Tokantrano sa fonja maoderina ?

Saropiaro tokoa ny vadiko. Vitany hatramin'ny misava ny findaiko, ary mazava ho azy, notapahina avokoa ny fifandraisako tamin'ireo namako. Ady be ao an-trano raha vao misy mpiara-miasa vehivavy miantso na mandefa hafatra amiko. Manginy fotsiny ny hatezerany rehefa sendra tara fodiana iny. Na ny fanao maha-mpivady aza tena mahalana, ary tena tsy mahazo aina mihitsy aho. Rehefa mba mila resaka matotra aminy moa dia taim-bava no mandeha : tsy ampahafirin'ny orinasan-drainy hono ny orinasan-draiko. Tena leo sy tofoka ny fiainanay aho satria toa fisehoana ivelany fotsiny fa tokantrano tena poak'aty. Niezaka niresaka tamin-draiko ny amin'ny olanay aho nefa toa tsy nihaino akory izy. Ny fandokafana ny rafozako no tao am-bavany. Dia naleoko nandeha.
Indray maraina, handeha hiasa toy ny isan'andro aho. Tena badenina ny lohako ka nivily lalana aho. Nivoaka kely ny renivohitra aho. Nanao "lavage" tamina toerana somary mangingina iray aho no nantonin'ny tovovavy iray. Hitakitako tamin'ny fomba fitafiny fa mpivarotena izy. Somary niomehy koa moa ireo mpanasa fiara nanodidina ahy. Tsy namaly aho satria menatra, saingy toa nisy hery nanosika ahy hiresaka aminy izany. Somary nihataka kely ireo mpanasa fiara aho ka noteneniko moramora izy hoe mandehana mizotra amin'iny lalana mandroso iny fa raisiko eny ianao rehefa avy eo. Nitsiky kely izy ary lasa tokoa. Efa lasa lavidavitra ihany izy, ka nampiakariko tao anaty fiara avy eo.
Tsy izy amin'ny maha-mpivarotena azy no hitako fa olona hafa mihitsy : tovovavy tsotrakely niangaran'ny fiaianana. Lany adiny telo teo ho eo angamba izahay niresaka. Somary lasa lavitra moa ka nasaiko nisakafo izy ny atoandro. Araka ny nambarany, tsy nety nahita "client" izy tato ho ato ka izany no mahatonga azy mandehandeha etsy sy eroa. Tratran'ny lozam-pifamoivozana hono ny reniny ka tsy maintsy mitady vola izy iantohana ny fitsaboana sy ny zandriny, mandrapiverin'ny rainy izay lasa nanao "mission".

Tantaram-pitiavana

Babon'ilay tovovavy aho, ary tsy nanana eritreritra ny hiray ara-nofo taminy velively. Izy aza no niangavy ahy "hanjifa" azy satria mila mitondra vola hono izy vao mody. Nampanantenaiko vola izy nefa, satria tena nampahazo aina be ahy ny teo anilany. Rehefa avy nisakafo, niditra tamina toeram-pivarotana iray izahay ka nividianako akanjo sy kiraro tsotsotra sady mendrika izy, no sady namboarina ny volony sy ny tarehiny. Adiny iray teo no niandrasako, ka tena gaga aho fa tovovavy tena tsara tarehy no nivoaka avy any. Latsaka ny ranomasony nisaotra ahy, ary nitodi-doha niverina izahay. Nanome toky ahy izy fa hiala amin'ny asa ratsiny raha vonona aho hanohana azy.
Nanomboka teo ny tantaram-pitiavanay. Nampirafy ny vadiko aho nanomboka teo. Toa nahatsiaro olona afaka sy tena olona aho. Tsy mba nilaza tamin'i Angola ny fari-pananako aho, ary tsy nanolotra fanomezana ho azy matetika. Nataoko izany mba hitsapàko raha tena tia ahy izy na manararaotra ahy fotsiny. 2 herinandro taty aoriana dia niverina ny rainy ka niverina tamin'ny laoniny ny fiainan'izy ireo. Naveriny avokoa ny vola izay laniko taminy tamin'ilay andro voalohany nihaonanay sy nandritra ny fotoana izay nanampiako azy ara-bola. Tsy nety nandray izany aho. Isan'andro dia tsapako fa niha-nanalavitra ny vady aman-janako aho ary toa mitady an'i Angola foana. Nanomboka kaodikaoky i madama satria taratara fodiana matetika aho, sady tsy mila resaka sy tambitamby aminy toy ny teo aloha.

Tsy misy marina izay tsy ho hita

Miseho eny foana ny marina, na afenina tahaka ny inona aza. Feno herintaona ny zanakay tamin'izay. Tsy mba nikaondoha tamin'ny fanomezana izahay mivady fa samy nividy izay tiany. Somokotra ery i madama nikarakara ny tao an-trano, satria nisy lanonambe nokarakaraina. Nifoha aloha be tsy toy ny mahazatra izy. Vao tamin'ny 5 maraina ny andro : nisy hafatra tonga tamin'ny findainy. Nosokafako avy hatrany satria noheveriko fa ny rafozako hiarahaba ny zanakay. Kinanjo, hafatra hafahafa no tao : "Aza ampanalavirina an-janako toy izao aho na dia mahantra sy mavomavo aza. Avelao aho hahita azy, na androany fotsiny aza. 10 minitra no angatahiko aminao". Toy ny notobasana rano mangatsiaka aho ka tafatsangana tampoka teo. Feo marobe no henoko tao an-dohako tao. Rehefa tena nandinika tsara aho dia nanana olon-tiana izany ny vadiko, saingy tsy navela hivady izy ireo noho ny fari-pananana tsy mitovy.
Lasa aho nivoaka ny trano, sady tsy niteny no tsy nanafatra. Novelomiko ny fiara dia nihaona tamin'i Angola aho. Tsy noraisiko mihitsy ny finday na dia naneno foana aza. Mazava ho azy, tsy nanatrika ilay fety aho. Ny tena loza nefa dia nisy havana nifanena tamiko, ary nandaza tamin'ny vadiko hoe "misy vehivavy eo amin'ny devant". Rehefa nody aho, tamin'ny 8 ora alina teo ho eo, niandry ahy tao ny rafozako mivady, ny ray aman-dreniko sy ny vadiko. Vava tsy vava no nahazo ahy satria sahiko hono ny nanakalo vehivavy ny zanako. Tezitra mafy aho ka naborako teo ny marina : tsy zanako ilay zaza, sady natao am-pitaka ny raharahanay. Mody nitomany sy niaro tena teo i madama. Ny ray aman-dreniny rahateo nandrahona fa raha manandrana misaraka amin-janany eo aho dia hahita raharaha, ary ho potika ny orinasan-draiko. Tenin-dehilahy nefa ny ahy : misaraka izahay, ary tsy misy marimaritra iraisana mihitsy satria izaho no voafitaka.
Iny alina iny ihany aho dia niantso "avocat" manam-pahaizana maokana mikasika ny fanambadiana. Misy "caméra de surveillance" eraky ny trano ka nataoko ho anisan'ny porofo ny fifamalianay tao an-trano, niampy ny fandrahonana nahazo ahy. Nampidiriko ny fangatahana fisaraham-panambadiana, sady nitory ny rafozako aho noho ny fandrahonana ny fanapotehana ny orinasan-draiko.

Tokantrano niorina teo ambony vatolampy

5 taona izao ny zanakay sy Angola. Azo lazaina fa milamina sady anjakan'ny fitiavana ny tokantranonay. Somary lavitra ny renivohitra ny fonenanay. Mafy be mantsy ny fanenjehana nataon'ny vadiko teo aloha. Nanao izay azony natao rehetra izy itazonana ahy. Efa nahazo fampitahorana na ireo ray aman-dreniko, indrindra moa rehefa fantany fa efa miaraka amina vehivavy hafa aho. Saika navadiny taty amiko ny fahadisoana, satria azo lazaina fa nanitsakitsaka ny tokantranonay aho. Soa nefa fa natanjaka tsara ny porofo rehetra natolotra teny amin'ny tribonaly.
Naharitra 3 taona ny fifandroritana ny amin'ilay fisaraham-panambadiana. Marobe ny sedra nolalovana satria nisy fotoana voatery nafenina mihitsy i Angola. Very asa ihany koa aho sady potika ny orinasan-draiko ka nikorosy fahana ny fiainanay nandritra ny fotoana lavalava. Voatery namidy hatramin'ny trano sy ny fiara, satria tena volabe no nilaina teny amin'ny fitsarana. Herintaona ny zanakay vao afaka niroso tamin'ny mariazy izahay roa. Tsy sarotiny moa ireo rafozako vaovao, sady tena niaro sy nanampy ahy tamin'ny zavatra rehetra. Vetivety ihany dia niarina ny fiananay, na izay roakely na ny ray aman-dreniko.
Tretrika aho izao. Naleoko nanambady mpivarotena niova fo toy izay nifikitra tamin'ny vehivavy mpanakarena mpamitaka. Aleoko vehivavy tsy dia manam-pahaizana firy nefa mahay mitady vola, toy izay vehivavy tapim-pahaizana nefa entina hanaovan-dratsy olona ny volany. Tsy vitan'ny aiko ny miaina amin'olona tsy tiako sady tsy tia ahy, na dia ananana avokoa aza ny zavatra rehetra. Ny mampirapiratra loatra tokoa angamba manafina zava-mainty efa lo sady maimbo …

Lire la suite

Articles Similaires