• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fanabeazana : Niakatra ny tambin-karaman’ireo mpampianatra tsy mpiasam-panjakana

01/11/2026 17:02 © Moov.Mg

Nampiakarin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny vatsy raisin’ireo mpampianatra tsy mpiasam-panjakana (ENF). Miova arakaraka ny ambaratongam-pianarana misy azy ireo ny sandan’ny fiakarana.

Ho 150 000 ariary isam-bolana, raha 110 000 ariary teo aloha, ny vatsy ho an’ireo mpampianatra eny amin’ny garabola (préscolaire) sy EPP. Ho 180 000 ariary kosa izany ho an’ireo eny amin’ny CEG, raha 120 000 ariary teo aloha. Ho an’ny eny amin’ny lisea indray, tafakatra 200 000 ariary ny vatsy, raha 150 000 ariary teo aloha.

Fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampianatra

Dingana iray entina hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanomezana lanja bebe kokoa ny asan’ny mpampianatra ity fampiakarana ity, araka ny nambaran’ny minisitera. Zava-dehibe ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mpampianatra, satria anisan’ny antoka hahafahan’izy ireo manatanteraka amim-pahavitrihana ny andraikitra sahaniny ny fananana fari-piainana mendrika.

Mbola maro anefa ireo olana sedrain’ny mpampianatra tsy raikitra, indrindra ireo mpampianatra FRAM, izay miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny ampahany amin’ny tambin-karamany. Anisan’ny mampanahy ny tsy fahampian’ny vola raisina, ny fahataran’ny fandoavana, ny tsy fahamarinan-toeran’ny asa ary ny tsy fahazoana tombontsoa ara-tsosialy mitovy amin’ireo mpiasam-panjakana.

Mbola fanamby ny fanatsarana ny sata

Ankoatra ny fampiakarana ny vatsy, mbola andrasan’ireo mpampianatra ny vahaolana maharitra momba ny sata arak’asa, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Tsy midika ho fahazoana sata maha-mpiasam-panjakana avy hatrany mantsy izao fampiakarana izao.

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana ny taranaka ny mpampianatra. Noho izany, tsy ampy ny fanatsarana ny tambin-karama fotsiny, fa ilaina ihany koa ny fiantohana ny zo sy ny fari-piainan’izy ireo, ho antoky ny fanabeazana tsara kalitao sy maharitra eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires