Famongorana ny lefakozatra : hanatanteraka andiany fahatelo amin’ny hetsika fanaovam-baksiny i Madagasikara
Hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 27 novambra 2026 ny andiany fahatelo amin’ny hetsika nasionaly fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra. Ny zaza rehetra vao teraka ka hatramin’ny 59 volana no kendrena amin’izany, na efa nahazo vaksiny teo aloha na tsia.
Fampitsaharana ny fifindran’ny tsimokaretina miteraka ny lefakozatra
Hotanterahina manerana an’i Madagasikara ny andiany fahatelo amin’ny hetsika fanaovam-baksiny fanampiny hiadiana amin’ny lefakozatra, ny 24 hatramin’ny 27 novambra 2026. Ireo distrika ara-pahasalamana miisa 115, ao anatin’ny faritra 23 manerana an'i Madagasikara no ho voakasik'izany, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ny fampitsaharana ny fifindran’ny tsimokaretina miteraka ny lefakozatra no tanjona. Kendrena ny hahatrarana taham-panaovam-baksiny mihoatra ny 95% any amin’ireo tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy.
Zaza vao teraka ka hatramin’ny 59 volana no kendrena
Ny zaza rehetra latsaky ny dimy taona no hisitraka ny vaksiny, izany hoe : ireo vao teraka ka hatramin’ny feno 59 volana. Tsy misy fanavahana izany, na efa nanao vaksiny izy teo aloha, na tsia.
Fanaovam-baksiny isan-tokantrano no paikady entina manatanteraka izany. Araka izany, hitsidika isam-baravarana, eny anivon’ny fokontany rehetra ireo mpanao vaksiny, mba hahatratrarana ireo zaza kendrena. Hisy ihany koa ny toerana fanaovam-baksiny raikitra sy mandehandeha eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB), eny an-tsena, eny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka, eny am-piangonana ary eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra ho an’ny zaza madinika, araka ny toromarika nomen'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Mila amafisina ny fanaovam-baksiny
Efa nisy ny hetsika nasionaly fanaovam-baksiny miady amin’ny lefakozatra sy ny kitrotro, niaraka tamin’ny fanomezana vitamina A, ny 5 hatramin’ny 9 oktobra 2026 lasa teo. Araka ny tatitra navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, zaza miisa 5 689 261 no nahazo ny vaksiny atete am-bava miaro amin’ny lefakozatra (VPO), tamin’ireo zaza 5 878 615 nokendrena. Nahatratra 96,8% ny tahan’ny fandrakofana ara-pitantanana teo amin’ny sehatra nasionaly.
Na izany aza, mbola misy ny tsy fitoviana eo amin’ny vokatra azo isam-paritra. Ilaina, araka izany, ny fanamafisana ny ezaka any amin’ireo faritra marefo mba hahazoana antoka fa ho voaaro avokoa ny ankizy rehetra.
Miantso ny ray aman-dreny, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny tompon’andraikitra eny ifotony ary ireo mpiara-miombona antoka ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hiara-hientana amin’ity hetsika ity.





