RN1: Lalana vaovao 11 km, fanantenana ho an’ireo leo fitohanana lavareny
Mety hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) ny fisian’ny lalana vaovao mirefy 11 kilometatra mampitohy an’Alakamisy Fenoarivo sy Ambohitrimanjaka, mandalo an’Ampangabe sy ny Digue. Vahaolana andrasan’ireo mpampiasa lalana izany, izay indraindray mbola mandany ora maro eny an-dalana isan’andro.
Fitohanana mandany fotoana sy vola
Olana lehibe ho an’ireo mpampiasa ny RN1 ny fitohanana, indrindra eo anelanelan’Anosizato, Ampitatafika ary Alakamisy Fenoarivo. Amin’ny ora maha-be mpivezivezy, dia mety haharitra adin’ny iray ka hatramin’ny adin’ny roa ny dia miala eo Ampitatafika hatreo Anosizato. Mety hahatratra adin’ny roa ka hatramin’ny adin’ny telo kosa ny lalana mampitohy an’Anosizato sy Alakamisy Fenoarivo, arakaraka ny fifamoivoizana.
Na eo aza ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana, anisan’izany ny fampiharana ny fifamoivoizana amin’ny zotra roa na ilay fantatry ny maro amin’ny hoe : “double voie”, dia mbola sarotra ny fivezivezena. Lasa miteraka voka-dratsy izany, toy ny fahatarana any am-piasana, ny fandaniana solika fanampiny, ny harerahana ary ny fahaverezan’ny fotoana tokony hamokarana. Araka ny tombana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny taona 2022, dia mahatratra 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka ara-toekarena ateraky ny fitohanana eto Antananarivo, mitovy amin’ny 0,34%-n’ny harinkarena faobe.
Lalana vaovao 11 km, inona ny tombontsoa ?
Mampitohy an’Alakamisy Fenoarivo sy Ambohitrimanjaka ity lalana vaovao mirefy 11 kilometatra ity, mandalo an’Ampangabe sy ny Digue. Afaka manome safidy hafa ho an’ireo mpampiasa lalana mankany Ambohitrimanjaka, Ivato na ny lalam-pirenena faha-4 izy, arakaraky ny toerana haleha.
Raha mahomby ny fampiasana azy, dia mety hitsitsy fotoana sy solika ny mpamily, hampihena ny fandaniana amin’ny fitaterana ary hanamora ny fahatongavana ara-potoana any am-piasana na any an-tsekoly. Ho an’ny mpitatitra sy ny orinasa, ny fivezivezena milamina kokoa dia mety hanatsara ny fanaterana entana sy hampihena ny fahatarana. Ho an’ny tokantrano kosa, ny fotoana lany eny an-dalana izay mihafohy dia azo atokana ho an’ny fianakaviana sy ny asa hafa. Araka ny fampitam-baovao, tokony ho vita tao anatin’ny herinandro eo ho eo ny asa, ary hisokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalana.
Mbola miandry ny vokatra azo tsapain-tanana
Tsy midika ho fialana tanteraka amin’ny fitohanana ny fisian’ity lalana vaovao ity. Miankina amin’ny fahatomombanan’ny lalana sy ny fizaran’ny fifamoivoizana ny fahombiazany. Ilaina, araka izany, ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny fotoana lanin’ireo mpampiasa lalana, ny isan’ny fiara mampiasa azy ary ny mety ho fiovan’ny fitohanan’ny lalam-pirenena voalohany.
Ho an’ireo mpampiasa lalana, ny fanantenana dia ny hampihenana ny ora very eny an-dalana, hitsitsiana ny fandaniana ary hanamorana ny fivezivezena andavanandro. Ny tena hitsarana ity fotodrafitrasa vaovao ity dia ny tombontsoa ho entin’ny fampiasana azy eo amin’ny fiainan’ny mponina sy ny toekarena.





