• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minsanp
Image
Vaovao

Ady amin’ny lefakozatra : Mety hiverimberina ny valanaretina raha betsaka ny zaza tsy vita vaksiny

24/10/2026 18:53 © Moov.Mg

Na dia efa nitsahatra aza ny fihanaky ny valanaretina teto Madagasikara tamin’ny taona 2025, dia hita indray ny poliovirus karazany voalohany (poliovirus de type 1) tamin’ity taona 2026 ity. Mampahatsiahy izany fa mbola mora miverina ny aretina, raha misy ankizy tsy voaaro amin’ny vaksiny.

Ankalazaina androany, 24 oktobra 2026, ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny lefakozatra. Mbola mitaky fahamailoana hatrany ny ady amin’ity aretina mety hiteraka fahasembanana maharitra ity, indrindra eto Madagasikara, izay mbola ahitana tranga. Ny fanaovana vaksiny ny ankizy no fomba lehibe indrindra hisorohana ny fiparitahany.

Mety mbola hihanaka ny valanaretina

Raha latsaky ny 95% ny tahan’ny zaza vita vaksiny ao amin’ny toerana iray, dia mety hihanaka indray ny valanaretina, araka ny fanazavan’ny Pr Ravelomanana Razafiarivao Noëline, dokotera manam-pahaizana manokana momba ny fahasalaman’ny ankizy. Noho izany, tanjona ny hahavita vaksiny miady amin’ny lefakozatra ny 95%-n’ny ankizy Malagasy latsaky ny dimy taona. Mila mahazo fatra efatra amin’ny vaksiny atete am-bava sy fatra roa amin’ny tsindrona ny zaza, mba hahafeno ny fatra ilaina amin’ny fiarovana azy.

Na efa nahavita ireo fatra ireo aza anefa izy, dia mbola ilaina ny mampanao vaksiny azy mandritra ireny hetsika faobe ireny. Manampy amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana izany ary manampy amin’ny ezaka famongorana tanteraka ny aretina. Nanamafy ny Pr Ravelomanana Razafiarivao Noëline fa azo antoka ny vaksiny ampiasaina eto Madagasikara.

Mbola misy banga eo amin’ny fiarovana ny ankizy

Araka ny hafatra navoakan’ny Dr Mohamed Janabi, Tale jeneralin’ny Biraom-paritry ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) ho an’i Afrika, dia mampiseho ny loza ateraky ny tsy fahampian’ny fanaovana vaksiny ny fahitana indray ny poliovirus karazany voalohany teto Madagasikara, taorian’ny fanambarana ny fitsaharan’ny fihanaky ny valanaretina tamin’ny taona 2025.

Mety hiteraka fahasembanana maharitra mandritra ny androm-piainana ny lefakozatra, ary tsy misy fitsaboana afaka manasitrana tanteraka azy. Izany no antony anantitranteran’ny OMS ny fanamafisana ny fanaovana vaksiny, ny fanaraha-maso ny fiparitahan’ny aretina ary ny fandraisana andraikitra haingana rehefa misy tranga.

Ankizy maherin’ny 1,2 tapitrisa nahazo vaksiny

Tsy mitsahatra ny ezaka eny ifotony. Tamin’ny volana aogositra 2026, ankizy maherin’ny 1,2 tapitrisa tany amin’ny distrika 25, tao amin’ny faritra dimy any atsimon’ny Nosy, no nahazo vaksiny nandritra ny hetsika faobe. Maneran-tany, ankizy maherin’ny 168 tapitrisa no nahazo fatra iray fara-fahakeliny tamin’ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra, teo anelanelan’ny janoary sy septambra 2026, nandritra ny hetsika miisa 55 izay natao tany amin’ny firenena 22 isa.

Na eo aza ireo ezaka ireo, dia mbola ilaina ny fanohizana ny fampiasam-bola sy ny fanentanana ny ray aman-dreny. Araka ny nambaran’ny OMS, dia azoatao tsara ny mamongotra tanteraka ny lefakozatra, saingy miankina amin’ny fiaraha-mientan’ny Fanjakana, ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny fiarahamonina iray manontolo izany.

Lire la suite

Articles Similaires