Ireo tsy fahampiana otrikaina mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny maso
Mila otrikaina maro ny maso mba hiasa tsara sy ho salama. Misy vitamina sy mineraly maro tena ilaina amin’ny fahasalaman’ny « rétine », ny « cornée » ary ny « nerf optique » mpandray sy mampita ny fahitana. Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny fahitana, izay ankalazaina izao 08 oktaobra 2026 izao, dia andeha ho fantarina eto ireo tsy fahampiana otrikaina mety hisy fiantraikany amin’ny fahitana sy amin’ny fahasalaman’ny maso.
Ny tsy fahampian’ny vitamina A: ilay tena malaza indrindra
Tena ilaina amin’ny fahitana ny vitamina A. Izy io dia mandray anjara amin’ny famokarana ny « rhodopsine », proteinina ao amin’ny « rétine » zay ahafahan’ny maso mahita tsara rehefa maizina na kely hazavana. Manampy amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny « cornée » sy ireo fonon’ny maso ihany koa izy io.
Rehefa tsy ampy vitamina A ny vatana dia mety hiseho ireto soritr’aretina ireto:
-Fahasarotana mahita amin’ny alina na rehefa maizina,
-Fahamainan’ny maso,
-Fahasimban’ny fonon’ny maso sy ny « cornée »,
-Raha tena mafy ny tsy fahampian’ny vitamina A dia mety hiteraka fahajambana na fahaverezan’ny fahitana.
Anisan’ny loharanon’ny vitamina A ny ati-kena, atody, vokatra avy amin’ny ronono, ary ireo legioma manankarena « bêta-carotène » toy ny karaoty, vomanga mavo ary legioma maitso.
Ny tsy fahampian’ny vitamina B12
Ny vitamina B12 dia ilaina amin’ny fiasan’ny rafi-pitatitra (système nerveux). Raha maharitra ny tsy fahampiany dia mety hisy fiantraikany amin’ny « nerf optique » izay mampita ny sary avy amin’ny maso mankany amin’ny atidoha.
Nisy fikarohana ihany koa nahita fifandraisana teo amin’ny tsy fahampian’ny vitamina B12 sy ny fahamainan’ny maso miaraka amin’ny fanaintainana ateraky ny fahasimban’ny « nerfs » sasany. Anisan’ireo soritr’aretina mety hiseho amin’izany ny :
-Fihenan’ny fahitana tsikelikely,
-Fahasarotana amin’ny fanavahana loko,
-Fahasimban’ny « nerf optique »,
-« Irritation » na fanaintainana maharitra amin’ny maso amin’ny tranga sasany.
Ny vitamina B12 dia hita indrindra amin’ny sakafo avy amin’ny biby toy ny hena, trondro, atody ary vokatra avy amin’ny ronono.
Ny tsy fahampian’ny « zinc »
Ny « zinc » dia mandray anjara amin’ny asa maro ao amin’ny vatana ka anisan’izany ny fampiasana sy fitantanan’ny vatana ny vitamina A. Noho izany dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fahasalaman’ny « rétine » sy ny fahitana izy. Raha tsy ampy ny « zinc » dia mety hikorontana ireo mekanisma ireo ka hisy fiantraikany amin’ny fahitana, na dia tsy fahita firy aza ny tranga tena mafy.
Isan’ireo sakafo manankarena « zinc » ny hazandranomasina sy trondro an-dranomasina, ny hena, ny tsaramaso ary ny voanjo sy voamadinika sasany.
Otrikaina hafa manan-danja amin’ny maso
-Vitamina C. Ny vitamina C dia manampy amin’ny fiarovana ny sela ao amin’ny maso amin’ny fahasimban’ny “stress oxydatif” noho ny asany maha « antioxydant » azy.
-Vitamina E. Manampy amin’ny fiarovana ny sela ao amin’ny maso amin’ireo « molécules » mety hanimba azy.
-Vitamina B9 (folates). Ny « folates » dia ilaina amin’ny fiasan’ny sela maro ao amin’ny vatana, anisan’izany ireo sela mifandray amin’ny fahasalaman’ny maso sy ny rafi-pitatitra.
-Oméga-3. Na dia tsy vitamina na mineraly aza ny « oméga-3 » dia fantatra fa manampy amin’ny fahasalaman’ny maso amin’ny ankapobeny ary mety hanampy amin’ny fitsaboana ny fahamainan’ny maso.
Ahoana no hisorohana ireo tsy fahampiana otrikaina ilain’ny maso ireo?
Ny fomba tsara indrindra dia ny fihinanana sakafo isan-karazany sy voalanjalanja ahitana:
-Voankazo sy legioma maro loko
-Legioma maitso
-Trondro matavy
-Atody
-Ronono sy ny vokatra avy aminy
-Voanjo sy voamaina isan-karazany
Raha toa ka tsy mihena ny fahitana, maina maharitra ny maso na manaintaina tsy fantatra antony ny maso dia tsara ny manatona mpitsabo. Mety hanambara tsy fahampiana otrikaina izany, nefa koa mety ho avy amin’ny antony hafaka mila fanadihadiana ara-pitsaboana.





