• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Asa & Fianarana

Ireo famantarana fa misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana ny asa atao

09/10/2026 14:52 © Moov.Mg

Ny ampahany lehibe amin’ny androm-piainantsika dia lany any am-piasana. Na dia misy aza ireo asa hita mazava fa ambony ny « risques physiques », dia mahazana miseho tsikelikely ny fiantraikan’ny asa amin’ny fahasalamana ka tsy dia tsikaritra. Havizanana maharitra, olana amin’ny torimaso, fanaintainana miverimberina, fahakizitinana tsy mahazatra… tsy tokony atao tsirambina ireny famantarana ireny satria mety efa manambara fa misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny asa atao.

Ireo famantarana lehibe tokony hojerena

Na dia miseho tsikelikely aza ny fiantraikan’ny asa amin’ny fahasalamana dia misy ihany ireo famantarana lehibe mety manambara izany ka tokony hojerena :

Havizanana tsy mety miala na dia efa miala sasatra aza

Ara-dalàna ny fahatsapana reraka rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro iray. Raha toa kosa ka mbola reraka foana na dia efa natory tsara aza, dia mety misy ifandraisany amin’ny asa atao izany.
Ny asa be loatra, ny rarintsaina maharitra ary ny tsindry lava dia mety hitarika havizanana ara-batana sy ara-tsaina. Rehefa maharitra izany, dia mety hampihena ny fifantohana sy ny fahavitrihana isan’andro.

Misy olana matetika amin’ny torimaso

Sarotra vao mahita tory amin’ny alina, tapa-tory matetika, mbola mieritreritra ny asa any am-piasana rehefa hatory… Isan’ireo famantarana mifandray amin’ny torimaso tsy dia rarahiana firy nefa mifandray amin’ny fiantraikan’ny asa amin’ny fahasalamana izy ireo.
Ny rarintsaina ateraky ny asa dia iray amin’ireo antony fantatra fa manelingelina ny torimaso. Rehefa mbola miahiahy ny atidoha rehefa mifarana ny tontolo andro dia lasa sarotra kokoa ho azy ny miala sasatra sy manarina ny heriny.
Raha maharitra moa izany dia mety hiteraka havizanana tsy mety misinda sy olana hafa ara-pahasalamana.

Marary an-doha matetika

Mety tsy eritreretina avy hatrany fa mety misy ifandraisany amin’ny asa ny aretin’andoha miverimberina. Anisan’ireo antony mety mahatonga izany ny :
-Rarintsaina sy tsindry (pression);
-Fijerena efijery ela loatra;
-Fipetrahana na fijoroana amin’ny fomba tsy mety;
-Tsy fahampian’ny fiatoana mandritra ny asa;
-Kalitaon’ny rivotra na jiro tsy mety ao amin’ny toeram-piasana.
Raha miverimberina matetika ny aretin’andoha dia ilaina ny mandinika ny tontolo iasana.

Fanaintainana amin’ny lamosina, vozona na soroka

Anisan’ny olana mahazo matetika ny mpiasa mipetraka ela eo amin’ny birao ny fanaintainana amin’ireo faritra ireo. Ny fipetrahana maharitra sy ny « posture » tsy mety mandritra ny asa dia mety hiteraka:
-Fanaintainan’ny vozona;
-Fihenjanan’ny soroka;
-Fanaintainan’ny lamosina ambany;
-Fahatsapana mienjana ny hatoka rehefa mifoha.
Matetika moa miseho tsikelikely ireo soritr’aretina ireo ka mora atao tsirambina.

Mora tezitra sy sorena kokoa noho ny mahazatra

Rehefa lasa loharanon’ny rarintsaina mafy ny asa dia mety hisy fiantraikany amin’ny toe-po. Raha izany no mitranga dia mety hahatonga ilay olona ho :
-Mora tezitra kokoa ianao;
-Mora misafaoka;
-Mahatsapa tebiteby na miferotr’aina mandrakariva.
Ireo dia mety ho famantarana fa mafy loatra ny rarintsaina.

Misy olana amin’ny fandevonan-kanina

Fantatra fa mifandray akaiky ny ati-doha sy ny rafi-pandevonan-kanina. Ny rarintsaina ateraky ny asa dia mety hahatonga:
-« Ballonnements »;
-Fanaintainan’ny kibo;
-Falain-komana;
-Fiovan’ny fivalanana;
-Maloiloy.
Raha miseho mandritra ny vanim-potoana be asa na be tsindry ireo soritr’aretina ireo, dia mety misy ifandraisany amin’ny asa atao izany.

Rahoviana no tokony hanahy?

Ny soritr’aretina tokana dia tsy midika avy hatrany fa ny asa no anton’izany. Raha toa kosa ka maromaro amin’ireo famantarana voalaza ireo no miseho miaraka na maharitra herinandr maro dia tsara ny mandinika ny toe-piaianana sy ny tontolo iasana.

Lire la suite

Articles Similaires