Manomboka zavatra maro nefa tsy mahavita na iray aza : inona no antony ?
Efa nitranga taminao ve ny hoe manomboka mamaly mailaka ianao, avy eo manokatra antontan-taratasy iray hiasana, dia mahatsiaro tampoka fa mbola misy hafatra tokony halefa ? Rehefa afaka minitra vitsy dia tsikaritra fa maro ny zavatra natomboka nefa tsy misy vita hatramin’ny farany. Tranga fahita izany, indrindra rehefa maro ny andraikitra sahanina na ao an-trano na any am-piasana. Fa inona marina no mahatonga ny olona sasany zatra manomboka zavatra maro nefa tsy mahavita azy ireny avy eo?
Tia zava-baovao ny atidoha
Matetika dia mora kokoa ny manomboka zavatra vaovao noho ny mamita zavatra efa natomboka. Mahaliana sy mampazoto antsika kokoa ny mikitika tetikasa vaovao na hevitra vaovao.
Mifanohitra amin’izany kosa ny famitana asa iray izay mety ahitana dingana miverimberina, mandreraka na mankaleo. Noho izany, mety hitady zavatra hafa mahaliana azy kokoa ny atidoha.
Izany no mahatonga ny olona iray hanomboka zavatra kely dia mifindra amin’iray hafa noho ny fitadiavany ilay fahatsapana ateraky ny zava-baovao.
Tahotra ny tsy hahavita zavatra tsara
Misy olona sasany mora manomboka asa iray fa avy eo sahirana rehefa tonga amin’ny famitana izany. Indraindray dia mety noho ny tahotra ny tsy fahombiazana na ny tahotra sao tsy mahafapo na tsy ampy tsara ny vokatra azo.
Raha mbola tsy vita ilay asa natombony dia mbola tsy voatery hiatrika ny vokatra faran’izany ilay olona. Noho izany dia mety ho fomba tsy nahy ampiasain’ny sainy hialana amin’izay tsindry izay ny fanemorana ny famitana ilay asa. Mety hitarika io fanemorana asa io ihany koa ny fitadiavana fahalavorariana be loatra amin’ny zavatra atao.
Mety ho betsaka loatra ny asa tokony hatao
Rehefa maro ny zavatra mila atao dia mety hieritreritra ny olona iray hoe tsy maintsy miaraka atomboka avy hatrany izy rehetra. Vokatr’izany dia lasa be dia be ny asa an-dalam-panatanterahana na « en cours » nefa tsy misy vita.
Amin’ity tranga ity moa dia tsy voatery hoe tsy fahampian’ny finiavana no olana tsy hahavitana ireo asa maro natomboka ireo fa mety ho lasa avy amin’ny fahasahiranana mametraka ny laharam-pahamena.
Ny zavatra manelingelina maro samihafa
Fampandrenesana amin’ny finday, tambajotra sosialy, antso, hafatra, olona miresaka aminao na zavatra hafa tonga tampoka: maro ny zavatra mety hanapaka ny fifantohana.
Mety hifantoka tsara amin’ny asa iray ny olona iray, saingy vao mahita fampandrenesana amin’ny finday dia mijery izany. Rehefa tapaka nefa ny fifantohana dia mety ho sarotra ny hiverina avy hatrany amin’ilay asa natao.
Tsy voavina tsara ny fotoana ilaina
Misy koa ireo olona mihevitra fa haingana be ny hahavitany asa iray.
Mety hieritreritra izy hoe: « Hanomboka kely fotsiny aho fa tsy haharitra 10 minitra akory. » Kanefa rehefa tena manomboka dia hitany fa mitaky fotoana sy ezaka betsaka kokoa ilay izy.
Rehefa tsy ampy intsony ny fotoana, dia lasa maro ny asa natomboka nefa tsy vita.
pahamehana, ny tsy fahampian’ny fifantohana, ny fitakiana fahalavorariana tafahoatra na ny havizanana ara-tsaina izany.




