• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo manatsara ny hoditra, ny volo ary ny fahasalamana amin’ny ankapobeny

23/09/2026 15:34 © Moov.Mg

Mifandray akaiky ny fahasalaman’ny hoditra, ny volo ary ny vatana manontolo. Samy mila proteinina, vitamina, mineraly, « acides gras » ary « antioxydants » izy ireo mba hiasa tsara. Araka ny fikarohana siantifika, ny fihinanana sakafo isan-karazany sy tsy dia voahodina be dia manampy amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo, ary manampy amin’ny fisorohana areti-mitaiza maro.

Maninona no misy sakafo no sady mahasoa ny hoditra sy ny volo no ilain’ny vatana ?

Mihavao tsy tapaka ny sela amin’ny hoditra sy ny volo. Noho izany dia mila otrikaina mitovy amin’ny ilain’ny taova hafa izy ireo. Anisan’ny tena ilaina ny vitamina A, C, D ary E, ny « zinc », ny « sélénium », ny proteinina ary ny « omega-3 ». Ireo otrikaina ireo dia mandray anjara amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo. Noho izany, rehefa manankarena amin’ireo otrikaina ireo ny sakafo iray dia mety hahasoa ny vatana amin’ny ankapobeny.

Trondro matavy

Ny « saumon », « maquereau », « sardine » ary trondro matavy hafa dia manankarena proteinina tsara kalitao sy « omega-3 ». Ny « omega-3 » dia manampy amin’ny fitandrovana ny fiarovan-tenan’ny hoditra (barrière cutanée) ary manana vokatra manohitra ny « inflammation » ao amin’ny vatana. Mandray anjara lehibe amin’ny fanohanana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandra ihany koa izy ireny. Ankoatra izay, ny proteinina ao amin’ny trondro matavy dia ilaina amin’ny famokarana « kératine », izay singa fototra mandrafitra ny volo.

Voankazo mena

Ny frezy, « myrtille », « framboise » ary voankazo mena samihafa dia manankarena vitamina C sy « antioxydants ». Ireo singa ireo dia manampy amin’ny fiadiana amin’ny fahasimban’ny sela ateraky ny « stress oxydatif ». Ity farany moa dia isan’ireo antony lehibe mahatonga ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra sy mampitombo ny « risques » mety hitrangan’ny aretina maro. Ny vitamina C ihany koa dia ilaina amin’ny famokarana « collagène » izay proteinina manome « fermeté » sy tanjaka ny hoditra.

Legioma maintso

Ny « épinards », laisoa sy ny legioma maintso hafa dia ahitana vitamina A sy C, « folate » ary « antioxydants » maro. Ireo otrikaina ireo dia manampy ny fanavaozana ny sela sy miaro ny hoditra amin’ny fahasimbana isan-karazany. Ankoatra izany, ny fihinanana legioma maintso tsy tapaka dia manampy amin’ny fikoloana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.

Voanjo sy voa

Ny « amandes », « noix », « graines de chia », « graines de lin » ary « graines de tournesol » dia manankarena vitamina E, « zinc », « sélénium », fibra ary tavy mahasalama. Ny vitamina E dia « antioxydant » manampy amin’ny fiarovana ny sela tsy ho simba. Ny « zinc » sy ny « sélénium » kosa dia ilain’ny vatana amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny fiasan’ny rafitra maro ao aminy.

Atody

Ny atody dia anisan’ny sakafo manankarena proteinina tsara kalitao. Ahitana « biotine », izay mandray anjara amin’ny fampiasan’ny vatana ny otrikaina avy amin’ny sakafo, ihany koa ao aminy. Satria moa ny « kératine » no tena mandrafitra ny volo, dia tena ilaina ny proteinina amin’ny fitomboany sy ny faharetany. Noho ny otrikaina maro entiny dia manampy amin’ny filan’ny vatana amin’ny sehatra maro ny atody.

Legioma miloko volomboasary

Ny karaoty, voatavo sy vomanga miloko volomboasary dia manankarena « bêta-carotène ». Ity farany no ovain’ny vatana ho vitamina A. Io vitamina io dia ilaina amin’ny fanavaozana ny sela sy ny fitazonana ny fahasalaman’ny hoditra. Ny « caroténoïdes » ihany koa dia manana toetra « antioxydant » izay manampy amin’ny fiarovana ny sela amin’ireo « agressions environnementales ».

Tsy misy sakafo tokana lafatra

Tsy misy sakafo tokana afaka miantoka irery ny fahalavorarian’ny hoditra, volo ary ny fahasalamana. Ny fikarohana ara-tsiansa dia manasongadina fa ny fomba fisakafoana voalanjalanja, ahitana voankazo, legioma, voanjo, « graines » ary trondro, no tena mahasoa ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires