• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Alzheimer » : ireo famantarana mety hiseho mialoha ny fanadinoana

21/09/2026 10:33 © Moov.Mg

Rehefa miresaka momba ny aretina « Alzheimer » dia matetika ny olana amin’ny fitadidiana no tonga ao an-tsaina. Tsy voatery mikasika ny fitadidiana nefa ny soritr’aretina voalohany amin’ity aretina manimba tsikelikely ny ati-doha ity. Amin’ny olona sasany dia misy fiovana hafa, somary manjavozavo kokoa, izay miseho mandritra ny taona maro mialoha ny olana lehibe eo amin’ny fitadidiana. Zava-dehibe ny fahafantarana ireo soritr’aretina tsy dia tsikaritra ireo mba ahitana haingana kokoa ny aretina sy ahazoana ny fikarakarana sahaza.

Fahasarotana mitady teny

Iray amin’ireo famantarana voalohany mety hiseho amin’ny olona voan’ny « Alzheimer » ny olana eo amin’ny fiteny. Mety ho lasa sarotra aminy ny mahita teny tsotra sy mahazatra izay efa hainy tsara sy fampiasany teo aloha. Ohatra, mety hiteny izy hoe « ilay zavatra hijerena ora » fa tsy mahita ny teny hoe famataranandro. Mety hiato matetika ihany koa izy mandritra ny resaka mba hitady teny sahaza. Rehefa mandeha ny fotoana dia mihamaro ireo tranga ireo ka manasarotra ny fifandraisana amin’ny hafa.

Voan’ny tamberintany

Mety hanomboka ho sahirana amin’ny fitadiavana lalana any amin’ny toerana efa mahazatra azy ny olona voan’ny « Alzheimer ». Mety hisalasala amin’ny lalana nalehany matetika isan’andro izy, na mila marika sy tari-dalana fanampiny mba hahafahany mody na mamantatra toerana iray. Tsy ny fivezivezena ihany no voakasik’izany fa mety ho sahirana ihany koa izy amin’ny fanombanana halavirana na amin’ny fahatakarana ny firafitry ny toerana manodidina azy.

Fiovan-toetra sy fiovan-tsaina

Indraindray, ny manodidina no mahatsikaritra voalohany fa tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny fihetsika na ny toetran’ny olona iray. Mety ho lasa mora tezitra kokoa, be ahiahy, na kosa lasa mangingina sy tsy dia liana amin-javatra. Ny olona tia mifandray amin’ny fiarahamonina teo aloha aza dia mety hanomboka hisoroka fihaonana sy hetsika iarahana amin’ny hafa. Mety hiseho mialoha ny olana ara-pitadidiana mazava ireo fiovana ireo.

Fihenan’ny finiavana hanao zavatra

Anisan’ny famantarana voalohany ny aretina « Alzheimer » matetika ny fahaverezan’ny fahavitrihana sy ny fahalianana. Mora ialan’ilay olona tsikelikely ireo fialamboly na asa nahafinaritra azy teo aloha. Tsy liana amin’ny tetikasa sy ny fiainam-piarahamonina intsony izy. Matetika anefa izany dia afangaro amin’ny fahaketrahana na harerahana ateraky ny fahanterana.

Fahasarotana mandamina sy mikarakara

Alohan’ny hisehoan’ny olana lehibe amin’ny fitadidiana dia mety efa mihena ny fahaizana mandrindra sy mandamina zavatra. Mety ho sarotra kokoa noho ny teo aloha ny manomana dia iray, manaraka « recette » misy dingana maro na mitantana vola sy tetibola. Mety handany fotoana lava kokoa amin’ny asa andavanandro ihany koa ilay olona ary hanana fahasahiranana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.

Fahasimban’ny fahaiza-mitsara zavatra

Mety hisy fiovana amin’ny fomba fanapahan-kevitra sy fitsarana toe-javatra. Mety hanana fahatokisana tafahoatra amin’olona tsy fantany ilay olona, na hanao safidy hafahafa izay tsy fanaony teo aloha. Indraindray dia tsy mahay manombana tsara ny loza na ny vokadratsin’ny zavatra ataony intsony izy.

Olana amin’ny fahitana sy ny fandrindrana ny maso

Ny aretin’i « Alzheimer » dia mety hiteraka olana amin’ny fomba handraisan’ny atidoha ny vaovao hitan’ny maso, na dia salama aza ny maso.Mety ho sarotra ny mamantatra zavatra sasany, ny manavaka loko sy endrika, na ny manombana halavirana. Mety hampitombo ny « risques » mety hianjerana na hanasarotra ny fitondrana fiara izany.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Tsy midika avy hatrany ho aretina « Alzheimer » ny fanadinoana zavatra indraindray. Na izany aza, raha miseho matetika ireo soritr’aretina voalaza etsy ambony, miharatsy tsikelikely ary manelingelina ny fiainana andavanandro, dia tsara ny manatona mpitsabo.
Ny fitiliana mialoha dia manampy hahafantarana tsara ny anton’ireo soritr’aretina, hanombohana fikarakarana sahaza ary hanomanana ny dingana mety hitranga amin’ny hoavy.

Lire la suite

Articles Similaires