• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Mety hankarary ve ny tsy fahampian-tory maharitra ?

21/09/2026 14:12 © Moov.Mg

Filàna fototra ho an’ny vatana, tahaka ny sakafo sy ny rano, ny torimaso. Maro nefa ny olona tsy ampy torimaso noho ny asa, ny adidy ian’andro na ny fialamboly. Raha tsy miteraka olana lehibe loatra ny alina iray tsy nahazoana torimaso ampy, dia mety hisy fiantraikany lalina amin’ny fahasalamana kosa ny tsy fahampian-tory maharitra.

Inona no atao hoe tsy fahampian-tory maharitra?

Ny tsy fahampian-tory maharitra na ny « manque chronique de sommeil » dia ny tsy fahampiana torimaso isak’alina eo amin’ny olona iray mandritra ny herinandro na volana maro. Amin’ny ankapobeny dia mila matory adiny 7 ora farafahakeliny isak’alina ny olon-dehibe mba hitazonana tsara ny fahasalamana. Tsy ny faharetan’ny torimaso ihany no zava-dehibe. Ny torimaso tapaka matetika, tsy lalina na ratsy kalitao dia mety hiteraka tsy fahampian-tory ihany koa.

Mihamalemy ny hery fiarovan’ny vatana

Mandritra ny torimaso no anampian’ny vatana ny hery fiarovana hiady amin’ny mikraoba sy aretina. Raha tsy ampy torimaso matetika ny olona dia mety hihena ny fahombiazan’ireo rafitra ireo. Vokatr’izany, mety ho mora tratran’ny sery, gripa na aretina hafa izy ary mety haharitra kokoa ny fahasitranana rehefa marary.

Mampitombo ny mety hisian’ny areti-mitaiza

Maro ireo fikarohana ara-pitsaboana nampiseho fa misy ifandraisany amin’ny areti-mitaiza maro ny tsy fahampian-tory maharitra. Anisan’izany ny :
-Tosidrà ambony;
-Aretin’ny fo sy lalandra;
-Diabeta karazana faha-2;
-Hatavezana tafahoatra (obésité);
-Korontana eo amin’ny fiasan’ny « métabolisme ».
Rehefa tsy ampy torimaso ny olona dia mety hikorontana ny fitantanan’ny vatana ny siramamy ao anaty rà, ny tosidrà ary ireo hormonina mifehy ny hanoanana sy ny fahavokisana. Rehefa maharitra izany dia mampitombo ny « risques » hisehoan’ny ny aretina isan-karazany.

Misy fiantraikany amin’ny atidoha

Anisan’ny taova voalohany voakasiky ny tsy fahampian-tory ny atidoha. Mety hiteraka:
-Fahasahiranana mifantoka;
-Olana amin’ny fitadidiana;
-Fihenan’ny hakingan-tsaina;
-Fahadisoana matetika amin’ny asa na raharaha andavanandro;
-Fahasarotana amin’ny fanapahan-kevitra.
Mety ho mora tezitra kokoa, mora kivy na mora tratry ny tebiteby ihany koa ny olona tsy ampy torimaso matetika.

Mampisy havizanana manerana ny vatana

Tsy ny fahatsapana rendremana fotsiny ihany no ateraky ny tsy fahampian-tory. Rehefa maharitra izy io dia mety hitarika :
-Aretin’andoha;
-Fikorontanan’ny fandevonan-kanina;
-Fanaintainan’ny hozatra;
-Havizanana maharitra;
-Fihenan’ny tanjaka ara-batana.
Rehefa ela ny ela dia mety hampitombo ny « risques » hahatonga loza vokatry fahadisoana izany, toy ny lozam-pifamoivoizana na manao asa mikirakira fitaovana mitaky fifantohana.

Inona avy ireo famantarana tokony hampiahiahy?

Mety manondro tsy fahampian-tory maharitra ny:
-Havizanana saika isan’andro;
-Filàna misotro kafe matetika mba harisidrisika;
-Matory tampoka rehefa mijery fahitalavitra na mipetraka ela;
-Fahasahiranana mifantoka sy mitadidy zavatra;
-Fiovan-toetra toy ny fahatezerana na fahasosorana matetika.
Raha maharitra ireo soritr’aretina ireo dia tsara ny manatona mpitsabo mba hijerena raha misy olana amin’ny torimaso na antony hafa mahatonga izany.

Lire la suite

Articles Similaires