Fiovana tsy ampoizina mitranga amin’ny volo mandritra ny fitondrana vohoka
Maro ireo fiovana mitranga amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Raha efa fantatra tsara ny sasany amin’izy ireny, toy ny fitomboan’ny lanja na ny maloiloy, dia misy ihany koa ireo fiovana mety hahagaga kokoa. Anisan’izany ny fiovan’ny volo. Maro ny bevohoka mahatsikaritra fa lasa matevina kokoa, mangirana kokoa, na indraindray sarotra karakaraina kokoa ny volony. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.
Inona no mahatonga ny volo miova mandritra ny fitondrana vohoka ?
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo be ny haavon’ny hormonina, indrindra ny « œstrogène ». Ireo fiovana hormonina ireo dia misy fiantraikany mivantana amin’ny tsingerin’ny fiainan’ny volo na « cycle de vie des cheveux ».
Raha ny tokony ho izy dia mandalo dingana fitomboana, dingana fitsaharana ary dingana fihintsanana ny volo tsiraray. Mandritra ny fitondrana vohoka anefa dia mety hanalava ny dingana fitomboan’ny volo ny hormonina. Vokany, mihena ny volo mihintsana isan’andro ka toa lasa matevina kokoa ny volo.
Na izany aza dia tsy voatery hitovy avokoa ny fitrangan’ny fiovan’ny volo mandritra ny fitondrana vohoka eo amin’ny vehivavy rehetra. Ny sasany dia mahita fanatsarana lehibe amin’ny volony, fa ny hafa kosa mahatsapa fiovana tsy dia mahafinaritra loatra.
Lasa matevina sy betsaka kokoa ny volo
Io no iray amin’ireo fiovana fahita indrindra. Satria mihena ny volo mihintsana isan’andro, dia toa mitombo ny hatevin’ny volo. Misy moa vehivavy sasany mahatsapa fa lasa mitombo haingana kokoa ny volony. Raha ny marina nefa dia tsy voatery hoe maniry haingana ny volo fa noho izy ireo tsy mihintsana dia lasa toy ny hoe lava sy matevina kokoa.
Mety hiova ny toetran’ny volo
Mety hanova ny firafitry ny volo ihany koa ny fitondrana vohoka. Ny volo malama dia mety ho lasa olioly, ary ny volo olioly kosa dia mety ho lasa very ny fiolakolany. Misy ihany koa ny bevohoka mahatsikaritra fa lasa maina kokoa na lasa be menaka kokoa noho ny teo aloha ny volony. Matetika dia mandalo ihany io fiovana io, ary miankina amin’ny vehivavy tsirairay ny fisehony. Indraindray dia manery ny vehivavy hanova ny vokatra fikarakarana volo ampiasainy isan’andro izany.
Mangirana kokoa... na mora simba kokoa
Noho ny fihatsaran’ny fikorianan’ny rà sy ny asan’ny hormonina, dia misy vehivavy mahita fa lasa mangirana sy malefaka kokoa ny volony. Saingy mety hitranga ihany koa ny mifanohitra amin’izany. Mety ho lasa mora tapaka, mangavoka na sarotra raotina ny volo amin’ny vehivavy sasany. Ny tsy fahampian’ny « fer », ny sakafo tsy voalanjalanja na ny havizanana tafahoatra dia mety hampitombo izany toe-javatra izany.
Mety hihintsana ny volo aorian’ny fiterahana
Maro ny vehivavy mitaintaina rehefa manomboka mihintsana be ny volony herinandro na volana vitsivitsy aorian’ny fiterahana. Tsy fahita firy anefa izany. Nandritra ny fitondrana vohoka dia maro tamin’ireo volo no nijanona ela kokoa tao anatin’ny dingana fitomboana. Rehefa teraka ny zaza dia mihena tsikelikely ny hormonina ka miditra miaraka ao anatin’ny dingana fianjerana ireo volo ireo.
Na dia mety hahagaga aza ny habetsahan’ny volo mihintsana, dia vetivety ihany izany matetika. Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia miverina amin’ny laoniny ny volo ao anatin’ny enim-bolana ka hatramin’ny herintaona aorian’ny fiterahana.
Rahoviana no mila manatona mpitsabo?
Amin’ny ankapobeny dia ara-dalàna ny fiovan’ny volo mandritra ny fitondrana vohoka. Na izany aza, tsara ny manatona mpitsabo raha:
-Mihintsana be loatra ny volo mandritra ny vohoka ;
-Mbola mitohy mihoatra ny herintaona aorian’ny fiterahana ny fihintsanan’ny volo ;
-Misy faritra tsy misy volo mihitsy eo amin’ny loha ;
-Misy mangidihidy mafy na olana amin’ny hodi-doha ;
-Ahiana misy tsy fahampian-tsakafo na otrikaina.




