Politikan’ny fampiasana ny teny Malagasy : nolavin’ny HCC, noho ny fifanoherana amin’ny Lalàmpanorenana
Ezaka lehibe noheverin'ny fitondrana Fanavaozana fa hampiroboroboana ny teny Malagasy ny lalàna laharana faha-2026-005. Tsy azo hampiharina anefa izany, raha ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), noho ity volavolan-dalàna itytsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4.
Fampiroboroboana ny teny Malagasy
Natao hampiroboroboana sy hampahafantarana bebe kokoa ny fampiasana ny teny Malagasy eo amin’ny fiainam-pirenena ny lalàna laharana faha-2026-005 momba ny politikan’ny fampiasana ny teny sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara. Anisan’ny tanjona tamin'ny famolavolana azy ny fanandratana ny teny Malagasy ho anisan’ny fototry ny maha-Malagasy, ny fampitomboana ny fampiasana azy eny anivon’ny biraom-panjakana sy eo amin'ny sehatry ny fanabeazana ary ny fampahafantarana bebe kokoa ny olom-pirenena ny mahakasika azy. Voaresaka ao anatin'ity volavolan-dalàna ity ihany koa ny fametrahana vaomiera manokana misahana ny teny Malagasy sy ny fandrindrana ny asany amin’ireo sampan-draharaha voakasika.
Nambaran'ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny tanjona ankapoben’ilay lalàna, indrindra ny fanandratana ny teny Malagasy. Mifanaraka amin’ny voalazan’ny sasin-tenin’ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-4, momba ny famerenana sy fanamafisana ny maha-Malagasy izany. Mametraka olana anefa ireo andininy sasantsasany, dia ireo andininy faha-6, faha-13 andalana faharoa, faha-14, faha-15, faha-16, faha-18 ka hatramin’ny faha-22 ary faha-27 izay mamaritra ny fampiasana ny teny malagasy eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fanofanana, ny fifandraisan’ny olom-pirenena ary ny serasera ataon'ny Fanjakana.
Zo hisafidy malalaka ny teny ampiasaina
Notsiahivin’ny HCC, fa milaza mazava ny andininy faha-4 ao amin’ny Lalàmpanorenana, fa teny ofisialy ampiasaina eto Madagasikara ny teny Malagasy sy ny teny frantsay. Tsy misy laharam-pahamehana ny iray amin’ireo teny roa ireo, fa mamela safidy malalaka amin’ny fampiasana azy ireo eo amin’ny fampianarana sy ny raharaha ofisialy ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-4. Noho izany, ny fametrahana ny tsy maintsy hampiasana ny teny Malagasy, dia heverin’ny HCC fa mifanohitra amin’io fahalalahana napetraky ny Lalàmpanorenana io.
Ankoatra ireo andininy momba ny fampiasana ny teny, nolavin’ny HCC ihany koa ny andininy faha-28. Io andininy io dia mametraka sazy ara-pitantanana na ara-pifehezana ho an’izay tsy manaja ny fepetra voalazan’ilay lalàna faha-2026-005. Araka ny fanapahan-kevitry ny HCC dia misy fepetra mifanohitra amin’ny zo hisafidy malalaka ny teny ampiasaina io andininy io.
Foana ny lalàna manontolo
Raha ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia tsy azo esorina tsirairay ireo andininy tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-4 ireo, fa manjary manafoana ny hevitra sy ny tanjon’ilay volavolan-dalàna manontolo.
Noho izany, ny fanapahan-kevitra laharana faha-16-HCC tamin’ny 21 aogositra manambara fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana manan-kery ny lalàna laharana faha-2026-005. Tsy afaka miroso amin’ny fampiharana azy, noho izany ny fitondrana Fanavaozana, raha tsy misy lalàna vaovao mifanaraka amin’ny fepetra voalazan’ny Lalàmpanorenana indray.




