Famatsian-drano eto Antananarivo : hikorontana mandritra ny 4 andro noho ny asa ao Mandroseza
Hitohy manomboka ny alatsinainy 24 aogositra ny asa lehibe ho fampitomboana ny habetsaky ny rano havoakan’ny UTC 1000 ao Mandroseza, araka ny fampahafantarana navoakan’ny JIRAMA androany 19 aogositra 2026. Haharitra efatra andro izany, ka hisy fikorontanana eo amin’ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo.
Hikorontana ny famatsian-drano
Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny famatsian-drano eto an-drenivohitra dia hanatanterahana asa lehibe ho fampitomboana ny habetsaky ny rano havoakan’ny UTC 1000 ao Mandroseza ny JIRAMA. Mba hahafahana manatontosa izany dia hampiatoana mandritra ny efatra andro ny famokarana rano ao amin’ny toby vaovao UTC 1000 Mandroseza. Vokatr’zany dia mety hisy fikorontanana ny famatsian-drano any amin’ny faritra maro eto Antananarivo renivohitra, ka isan’ny notanisain’ny JIRAMA ny eny laHaute ville, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Amparibe, Mahamasina, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Ankatso, Andraisoro, Ambohipo, Alasora, Tanjombato, Itaosy, Ambohibao sy ny manodidina ireo toerana ireo.
Tanjona ny hampitombo ny rano vokarina
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio (PAAEP), izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ity asa fanatsarana ny toby vaovao UTC 1000 Mandroseza ity. Manohana ny JIRAMA amin’izany ny minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Minisitera, ny Fanjakana dia mikatsaka vahaolana maharitra amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny famatsian-drano eto Madagasikara, ka tafiditra ao anatin’izany ity asa hotanterahina ao amin’ny UTC 1000 Mandroseza ity.
Raha tsiahivina dia mbola goavana ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo, izay tombanana ho manodidina ny 100 000 m³ isan’andro. Manampy trotraka izany ny fahaverezan-drano ateraky ny fahanteran’ny tambajotra sy ny fahasimban’ireo fantsona lehibe. Tombanana ho 4 000 m³ ny rano very hita tao anatin’ny tambajotra mirefy 200 km, tamin’ny volana aprily lasa teo. Na mety hiteraka fikorontanana mandritra ny andro maromaro aza ny asa, dia ny hampitomboana ny fahafahan’ny UTC 1000 Mandroseza mamokatra rano no tanjona, ho famahana tsikelikely ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo.




