Fifamoivoizana eny amin'ny lalam-pirenena : Zandary miisa 44 nofanina amin’ny fitsirihana ny tahan'alikaola
Manamafy ny fanaraha-maso ireo mpampiasa lalana eny amin’ny lalam-pirenena ny Zandarimariam-pirenena. Zandary miisa 44 miasa, noho izany, no nofanina momba ny fampiasana ny « éthylotest » sy ny fandrefesana ny lanjan’ny fiara isaky ny « essieu ». Tontosa omaly 21 aogositra 2026 tao amin’ny Akany FIVAZA, Toby Ratsimandrava eny Andrefan'Ambohijanahary ny fiofanana, niarahana tamin’ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-tanety (ATT).
Hifehezana ny alikaola sy ny vesatra entin'ny fiara
Nifantoka indrindra tamin’ny fampiasana ny « éthylotest », na ny "alcootest" ny fiofanana. Ity fitaovana ity dia ampiasaina hamantarana ny fisian’ny alikaola ao amin’ny rivotra avoakan’ny olona rehefa miaina. Araka izany, ity fitaovana ity dia ahafahana manamarina raha nikitika zava-pisotro misy alikaola ny mpamily iray, mialoha na mandritra ny fitondrany fiara, ary mandrefy ny tahan’izany alikaola izany. Kendrena manokana amin’ity fanaraha-maso ity ireo mpamily fiarakodia sy mpitaingina kodiaran-droa izay mety ho mamo.
Nampahafantarina ireo zandary ihany koa ny fomba fampiasana ny « pesée par essieu ». Ny "pèse-essieu" dia fitaovana natao handrefesana ny lanjan’ny entana mipetraka amin’ny lasi-kodiarana (essieu). Hanampy amin’ny fanaraha-maso ireo fiara mitondra entana mavesatra izany, indrindra ireo fiara fitateram-bahoaka sy ireo fiara mpitatitra entana, izay voafetran'ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny vesatra azony entina. Zava-dehibe io fanamarinana ny lanjan’ny fiara sy ny entana entiny io. Ankoatra ny mety hitomboan'ny loza miseho eny an-dalana mantsy, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa ihany koa ny fiara mitondra entana mihoatra ny tokony ho izy.
Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana
Miisa 156 ny fitaovana « éthylotest » ary 10 kosa ny fitaovana « pèse-essieu » hampiasain'ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalam-pirenena. Fanomezana avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ireo fitaovana ireo, ary haparitaka manerana ny Nosy.
Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo zandary miasa eny amin'by lalam-pirenena ity fiofanana ity. Tanjona ny hanamafisana ny fanaraha-maso, mba hisorohana ny loza vokatry ny tsy fanarahana ny lalànan'ny fifamoivoizana sy hiarovana bebe kokoa ny ain’ireo mpampiasa lalana ary ireo fotodrafitrasan'ny lalana.




