Antenimierampirenena : mitaky mangarahara momba ny fitantanana ny JIRAMA ny vaomiera mpanadihady
Miatrika fanadihadiana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ireo tomponandraikitry ny orinasa JIRAMA, manomboka androany 16 jolay 2026. Nifantoka tamin’ny famokarana sy ny fividianana herinaratra ary ny fifanarahana amin’ireo mpamatsy tsy miankina amin’ny Fanjakana ny fanadihadiana androany, ka naneho mazava ny fahavononany ny solombavambahoaka, hitaky ny mangarahara amin’ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity.
Notakiana ny antontan-kevitra momba ny famokarana
Mitohy ny asan’ny Vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny raharaha JIRAMA. Nandritra ny fihaonana natao androany alakamisy 16 jolay 2026 dia nohenoin’ny vaomiera ireo tomponandraikitra ambony avy amin’ny orinasa. Ny filohan’ny Vaomiera, Rakotoniaina Pety, no nitarika ny fivoriana, raha ny tale Jeneralin’ny JIRAMA, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana, kosa no nitarika ny delegasionan’ny orinasa.
Niompana tamin’ny fomba famokarana herinaratra ny fanontanian’ireo solombavambahoaka. Nangatahin’ny Vaomiera ny lisitry ny tobim-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana rehetra tantanan’ny JIRAMA, na ireo mampiasa solika, na ny angovo azo avy amin’ny rano, na ny masoandro. Notakiana ihany koa ny lisitry ny milina mpamokatra izay hofaina, sy ny habetsaky ny herinaratra vidian’ny JIRAMA amin’ireo mpandraharaha tsy miankina. Anisan’ny antontan-taratasy nangatahina, ankoatra izay, ny momba ireo fifanarahana ara-barotra mifehy izany fiaraha-miasa izany.
Mitaky tamberinandraikitra ho an’ny vahoaka
Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vaomiera mpanadihady momba ny JIRAMA eo anivon’ny Antenimierampirenena fa dingana voalohany ihany izao fihainoana izao ary mbola hitohy ny fanadihadiana. Nambarany fa tsy hihemotra ny Vaomiera, na dia misy aza ny resaka mandeha, fa misy tambajotra matanjaka miaro tombontsoa ao anatin’ity orinasa ity. Namafisiny fa zo ananan’ny vahoaka malagasy ny mahalala ny marina momba ny fitantanana ny JIRAMA sy ny fampiasana ny volam-bahoaka.
Nomarihiny ihany koa fa manakaiky ny 1.000 miliara ariary ny vola entin’ny Fanjakana manohana ny JIRAMA, nefa mbola tsy hita taratra amin’ny kalitaon’ny tolotra omena izany. Izany indrindra no mahatonga ny Vaomiera haneho ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fitantanana ity orinasa mpamokatra jiro sy rano ity. Marihina fa nanatrika ny fihainoana notontosaina androany ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, izay isan’ny mpikambana ao anatin’ity Vaomiera mpanadihady ity.




