• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rohy
Image
Vaovao

Tsy fandriampahalemana : Vahaolana ny fifidianana filoham-pokontany tena mamy hoditra, hoy ny firaisamonim-pirenena

10/07/2026 08:51 © Moov.Mg

Manoloana ny firongatry ny tranga fahaverezana, fakana an-keriny ary famonoana olom-pirenena, anisan'izany ny ankizy, tanora, olon-dehibe ary ireo olona manana toe-tena varira, dia miantso ny handraisana fepetra maika ny firaisamonim-pirenena sy ny vondrona tanora, tao anaty fanambarana nosoniavin'ny fikambanana miisa 130. Isan'ny vahaolana aroson'izy ireo ny fandaminana ny fiarahamonina eny ifotony sy ny fanabeazana olom-pirenena vanona.

Mampanahy ny firongatry ny herisetra

Araka ny fanambarana navoakan'ny fiarahamonim-pirenena, omaly 9 jolay 2026, dia fanitsakitsahana mivantana ny zo hiaina, ny zo hahazo fiarovana ary ny hasin'ny maha-olona, ireo endrika tsy fandriampahalemana miseho amin'izao fotoana izao. Vokatr'izany, hoy izy ireo, dia manjaka ny tahotra eo amin'ny fiarahamonina, voafetra ny fahafahan'ny olona mivezivezy, miasa ary mianatra, ka vao mainka mampitombo ny faharefoan'ny mponina izany.

Nankasitrahan'ny fiarahamonim-pirenena ny fanambaran'ny fitondram-panjakana fa hiady amin'ny tsy fandriampahalemana, saingy namafisiny fa tsy ampy ny kabary sy ny fanambarana fotsiny. Asa azo tsapain-tanana sy vokatra mazava no andrasan'ny vahoaka, hoy izy ireo. Noho izany, miantso ny Fanjakana sy ireo tompon'andraikitra misahana ny filaminam-bahoaka ny izy ireo mba hanafaingana ny fikarohana ireo olona mbola tsy hita, ary hisambotra sy hanenjika ireo tompon'antoka, araka ny lalàna. Takian'izy ireo ihany koa ny hamoahana vaovao marina sy mangarahara, mba hampihenana ny tsaho sy hanarenana ny fitokisan'ny olom-pirenena.

Fifidianana filoham-pokotany sy fanabeazana

Anisan'ireo soso-kevitra napetraky ny firaisamonim-pirenena ny fanamafisana ny fandaminana ny fiarahamonina eny ifotony. Eo amin'izay lafiny izay dia ilaina, hoy izy ireo, ny "fifidianana filoham-pokontany tena mamy hoditra sy itokian'ny vahoaka ary afaka mandray andraikitra an-tsitrapo". Etsy an-daniny notsindrian'ny fanambarana ihany koa fa tsy maintsy omena lanja ny fanabeazana olom-pirenena vanona, indrindra eny anivon'ny sekoly. Nanolo-kevitra ny hampiharana ny Fanabeazana ho Olom-pirenena Vanona (FOV) nohavaozina, eny anivon'ny sekoly ambaratonga faharoa fototra (CEG) izy ireo, satria efa misy ny fitaovana enti-manatanteraka izany.

Ankoatra izay, miantso ny fanamafisana ny ady amin'ireo tambajotra mpanararaotra sy mpihaza ireo olona manana toe-tena varira, indrindra any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy, ny firaisamonim-pirenena. Izany dia mba hahafahan'izy ireny miaina am-pilaminana sy misitraka ny zony, tahaka ny olompirenena rehetra. Farany, nanentana ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitondra fivavahana, ny mpitarika eny ifotony ary ny olom-pirenena rehetra ny fiarahamonim-pirenena, mba hiara-hisalahy amin'ny fisorohana ny heloka bevava. Nampahatsiahivin'izy ireo fa tsy vahaolana ny fitsaram-bahoaka sy ny valifaty, fa ny Fanjakana tan-dalàna sy ny fiaraha-mientan'ny rehetra no lalana mankany amin’ny filaminana maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires