Fandaharanasa ELAN - Vondrozo : Misitraka fiofanana momba ny fambolena ireo tovovavy niala an-tsekoly
Any amin’ny Distrikan’i Vondrozo, faritra Atsimo-Atsinanana, tovovavy maro, tsy mandia sekoly intsony na mbola tsy niditra an-tsekoly mihitsy, no misitraka fiofanana momba ny fambolena, ao anatin’ny fandaharanasa ELAN tohanan’ny UNICEF. Tanjona ny hanomezana fahaiza-manao ho azy ireo, hananany fahaiza-miatrika ny fiainana azo antoka kokoa.
Fiofanana mifantoka amin’ny fambolena
Anisan’ireo manaraka izany fiofanana izany i Talysyah, tovovavy 14 taona. Any Antsaresa izy no monina, ka mandeha lalana adin’ny telo izy rehefa hamonjy ny ivon-toeram-panofanana. I Isina, 12 taona, avy any Ambodimanga kosa, dia manao dia an-tongotra adin’ny roa isan’andro mba hanatrehana ny fampianarana. Samy manana ny tantaram-piainany izy ireo, saingy mitovy ny toe-javatra niainany : niala an-tsekoly aloha loatra ary avy amin’ny fianakaviana manana antom-pivelomana miankina amin’ny fambolena. Manomboka vao maraina ny fampianarana, ao amin’ny ivon-toerana fanofanana (CFP) ao Vondrozo, amin’ilay mbola mangatsiatsiaka iny. Sady mahazo fanofanana ao an-dakilasy ireo zatovovavy, no manao fampiharana avy hatrany eny an-tsaha. Miompana betsaka amin’ny fomba fambolena nohatsaraina sy ny fanatsarana ny vokatry ny tany, ny fampiofanana.
Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny UNICEF, mihoatra ny 5 000 ireo zatovovavy tsy mianatra intsony ao amin’ny distrikan’i Vondrozo, ka ny 1 700 amin’ireo no tsy mbola nandia ny varavaran-tsekoly mihitsy. Maro ny antony mahatonga ny fialana an-daharana an-tsekoly, ka voalohany indrindra amin’izany ny fahasahiranana ara-bola sy ny fahasarotan’ny fidirana amin’ny sekoly any amin’ireo faritra lavitra. Ho an’ireo tovovavy misitraka ny fiofanana ireto, dia ny fambolena no sehatra efa akaiky azy ireo, satria io no asa fiveloman’ny ankamaroan’ny fianakavian’izy ireo. Ny fiofanana kosa dia mikendry ny hampitombo ny fahalalan’ireo zatovovavy, momba ny teknikam-bambolena vaovao. “Efa mahay mamboly aho, saingy eto aho mianatra ny fomba hanaovana izany tsara kokoa”, hoy i Talysyah. I Isina indray dia efa manana karazana voly tiany hovolena, toy ny anatsonga, voabotrika ary voatabia. Nilaza izy fa te hijanona ao amin’ny tanànany ary hanohy ny asa fambolena.
Fampitana teknika vaovao ho an’ireo tovovavy
Anisan’ireo mpampiofana ao amin’ny CFP i Denis, izay teknisianina momba ny fambolena. Nisafidy ny hiverina any Vondrozo izy mba hampiofana ireo tanora ao amin’ny distrika niaviany. Araka ny fanazavany, tanjon’ny fiofanana ny hahafahan’ireo mpiofana manatsara ny fomba famokarana efa fanaony. Tafiditra ao anatin’izany ny teknikam-pambolena, ny fanatsarana ny vokatra ary ny fampiasana amin’ny fomba mahomby kokoa ny velaran-tany ananan’ny fianakaviana. Ankoatra ny fambolena, kasaina hivelatra amin’ny sehatra hafa ihany koa ny fiofanana ao amin’ny ivontoerana, toy ny fiompiana, ny fanjairana ary ny sakafo sy ny fandraisam-bahiny.
Ny hetsika fanofanana ao Vondrozo dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ELAN, izay vatsian’ny Komity Frantsain’ny UNICEF vola. Nanomboka tamin’ny volana aprily 2026 ity fandaharanasa ity ary haharitra telo taona, ao amin’ny Distrikan’i Vondrozo sy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana amin’ny ankapobeny. Ireo zatovovavy tsy ao anatin’ny rafi-panabeazana no kendrena hisitraka ity fandaharanasa. Ankoatra ny fiofanana ara-teknika, misy ihany koa ny fanofanana momba ny fandraharahana sy ny paikady mampahomby eo amin’ny fiainana. Tanjona lehibe ny fanamafisana ny fahaleovantenan’ireo tovovavy sy ny fisorohana ireo tranga mety hanakana ny fivoarany, toy ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fanambadiana aloha loatra. Miara-miasa amin’ireo mpisehatra eny ifotony ny fandaharanasa, ka anisan’izany ireo lehiben’ny Fokontany sy ny fianakaviana, amin’ny fitadiavana sy fitarihana ireo tovovavy hisitraka ny fiofanana.




