• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

10 Jona - MBC Ivato : Fankalazana ny Andro manerantany ho an'ny Asa tanana

10/06/2026 20:54 © Moov

Nomarihana androany alarobia 10 Jona ny Andro manerantany ho an'ny Asa tanana. Teny Ivato, Antananarivo, no ivon'ny fankalazana teto Madagasikara.

Andro nanamarika mpisehatra maro amin'ny asa tanana ny 10 jona. Feno dia feno tokoa ny fandaharam-potoana natrehin'ireo tompon'andraikitra ambony maro, notarihan'ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, Lily Rafaralahy.

Fampiroboroboana ny asa tanana

Nomen-danja manokana ireo mpanao asa tanana, satria mpamatsy vokatra miavaka eo anivon'ny tsena nasionaly sy iraisampirenena. Miha-mivoatra hatrany ny kalitao sy ny endriky ny vokatra, araka ny tazana teny amin'ireo tranoeva nampirantiana ireo karazana asa tanana maro. Akora misy eto Madagasikara avokoa no trandrahin'ireo mpana-talenta, indrindra ny rofia, ny hodi-boay, ny hoditr'omby sy ny lamba landy. Misy iany koa ireo mampiasa akora efa avy nampiasaina, toy ny gazety sy ny baoritra ary ny plastika, mba ho fiarovana ny tontolo iainana.
Ankoatra ny varotra fampirantiana, nanamarika ny tontolo andro ny fanolorana mari-pahaizana ho an'ireo mpianatra asa tanana nahavita fiofanana teo anivon'ny CENAM. Nisitraka "carte professionnelle" ihany koa ireo mpivarotra mbola tsy manana izany. Tsara ny manamarika fa maromaro ireo tsena fanta-daza hivondronan'ireo mpanao asa tanana malagasy, toy ny eny Andravoahangy, eny amin'ny Digue, ary eny amin'ny CENAM Andavamambra. Tsy vitsy ihany koa ireo misehatra amin'ny varotra an'habaka, amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy Facebook.
Nanohana ity hetsika ity moa ny Yas Madagascar, orinasa manohana hatrany ireo mpandraharaha Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires