• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

“Coca-Cola Ultimate Yas Soccer” : Hianoka ny "Mondial 2026" efijery goavana ireo mpitia baolina kitra

10/06/2026 19:26 © Moov.Mg

Hanomboka rahampitso 11 jona ka haharitra hatramin’ny 19 jolay 2026 ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny taranja baolina kitra. Ho an’ireo mpankafy eto Madagasikara, hisy toerana manokana ahafahana miaina ny hafanan’ny Mondial amin’ny alalan’ny efijery goavana hapetraka ao amin’ny Tanà Water Front Ambodivona.

Mifampizara ny hafalian’ny "Mondial"

Tsy voatery hijanona ao an-trano intsony ireo tia baolina kitra maniry hizara ny hafalian’ny Mondial amin’ny hafa. Eo ambany anaran’ny “Coca-Cola Ultimate Yas Soccer”, dia hanangana “Fan Zone” ao amin’ny Tanà Water Front Ambodivona ny Carré Bleu, miaraka amin’ny fanohanan’ny Coca-Cola, Yas Madagascar ary Magasins U.

Hiapetraka manomboka rahampitso alina, mandritra ny lanonam-panokafana ny fifaninanana, ireo efijery goavana izay handefasana mivantana ny lalao. Ny Mada Square no hiandraikitra ny fitantanana ireo efijery ireo, raha ny K-Wing kosa no hikarakara ny fanamafisam-peo. Hipetraka amin’ny toerana telo samihafa ao anatin’ny Tanà Water Front ireo fitaovana ireo, mba hahafahan’ny olona maro manaraka ny lalao.

Lalao sy fanentanana isan-karazany

Araka ny fanazavan’i Rija Ratsimbazafy, tomponandraikitra eo anivon’ny Carré Bleu, dia tanjona ny handefa lalao betsaka araka izay azo atao. Na izany aza, ireo fihaonana mifanaraka amin’ny ora eto Madagasikara no homena vahana. "Hetsika hahafahana miaina tanteraka ny Mondial mandritra ny iray volana izy ity”, hoy izy.

Ankoatra ny fijerena baolina kitra, dia hisy ihany koa hetsika maro mifandraika amin'ity fiadiana ny amboara eran-tanin'ny baolina kotra ity, sy hanampy hafanana ny fotoana. Hisy, araka izany, ny lalao sy fanentanana isan-karazany ho an’ireo tonga eny an-toerana, izay hahafahana mahazo loka sy fanomezana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka. Hisy ihany koa ireo mpanakanto maro hifandimby hanafana ny hetsika, mandritra ny vanim-potoanan’ny fifaninanana.

Fanomezana vahana ireo mpitia baolina kitra

Nambaran’ny tomponandaikitra avy eo anivon'ny Coca-Cola, fa efa mpiara-dia amin’ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany, nandritra ny taona maro izy ireo. Izany indrindra no antony hanohanany ity "Fan Zone" ôfisialin’ny Mondial 2026 eto Madagasikara ity. Ho fanamarihana ny hetsika dia namoaka tavoahangy Coca-Cola misy etikety manokana, ahitana ny sarin’ny baolina sy ny mariky ny fiadiana ny amboara eran-tany, ny orinasa.

Ho an’ny Yas Madagascar kosa, araka ny fanazavan’i Aina Rakotonandrasana, dia efa mahazatra ny orinasa ny manohana federasiônina ara-panatanjahantena, klioba ary mpilalao. Amin’ity indray mitoraka ity dia ny mpankafy no tiana homena sehatra. Hanolotra vokatra sy tolotra manokana ao anatin’ireo lalao sy fanentanana karakaraina eny an-toerana ny Yas, ary koa ao anatin'ny pejy Facebook-ny.

Mianoka ao anaty toerana azo antoka

Ny Magasins U indray dia mihevitra fa mihoatra noho ny fifaninanana ara-panatanjahantena ny "Mondial". Hetsika mampiray olona sy mampivondrona fiarahamonina izy io, hoy ny tomponandraikitra. Efa mandeha rahateo ny tombola iarahana amin’ny Coca-Cola, izay ahafahan’ny mpanjifa mahazo loka lehibe, toy ny fahitalavitra.

Tsy misy saram-pidirana ny fanarahana ny lalao ao amin’ny Fan Zone ao amin’ny Tanà Water Front. Takiana kosa ny fanjifana ireo tolotra sy vokatra misy eny an-toerana mandritra ny fijerena ny lalao. Tombony iray hafa ho an’ny mpitsidika ny fisian’ny fiantsonan'ny fiarakodia malalaka, izay miantoka ihany koa ny fandriampahaleman'ireo mpankafy baolina kitra, mandritra ity iray volana hianohana ny hafanan’ny Mondial ity.

Lire la suite

Articles Similaires