Aretina azo avy amin’ny firaisana : Mahatratra 1,1% ny tahan’ny VIH eo amin’ireo vehivavy bevohoka
Manaitra, ny tarehimarika vaovao navoakan’ny fanadihadiana nasionaly momba ny VIH sy ny farasisa amin’ny vehivavy bevohoka eto Madagasikara. Nivoitra mantsy fa mihoatra ny 1% ny VIH ary manakaiky ny 2% ny farasisa. Nampahafantarina omaly 3 jona 2026 ireo vokatra ireo.
Mihanaka ny VIH eo amin’ny vehivavy bevohoka
Navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny INSTAT ary ireo mpiara-miombon’antoka, omaly 3 jona 2026, ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly momba ny tahan’ny fisian’ny otrikaretina VIH sy ny farasisa (syphilis) ao amin’ny rà tamin’ireo vehivavy bevohoka tonga nanao fizaham-pahasalamana voalohany nandritra ny fitondrana vohoka, teo anelanelan’ny taona 2024 sy 2025. Nahatratra 1,1% ny tahan’ny VIH ary 1,8% ny tahan’ny farasisa. Ireo tarehimarika ireo dia ahitana taratra ny fiparitahan’ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo eto Madagasikara.
Raha mihoatra ny fetra 1% ny tahan’ny vehivavy mitondra vohoka ahitana ny tsimokaretina VIH, dia azo heverina fa efa miparitaka ity valanaretina ity, eo amin’ny sehatra ankapobeny, raha ny fenitra napetraky ny sampan-drahaahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) sy ny ONUSIDA no jerena. Midika izany fa tsy voafetra amin’ireo vondrona marefo fantatra hatramin’izay intsony ny fihanaky ny VIH sida eto Madagasikara.
Marefo ny ezaka fisorohana
Ankoatra ny VIH, mampanahy ihany koa ny tahan’ny farasisa, izay nahatratra 1,8%. Araka ny fanazavan’ireo manam-pahaizana, ny fisian’ity aretina ity dia mety hanamora ny fifindran’ny VIH, ka mahatonga ny ady amin’ireo aretina roa ireo tsy ho azo sarahina. Ho an’ny vehivavy bevohoka, mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ireo aretina ireo, raha tsy voatsabo ara-potoana. Antony maha-zava-dehibe ny fitiliana sy ny fitsaboana mialoha izany.
Nisongadina tao anatin’ilay fanadihadiana ireo antony mbola mamparefo ny ezaka fisorohana ny VIH sy ny farasisa eto Madagasikara. Anisan’izany ny tsy faharefoan’ny fampitam-baovao sy ny tsy fahampian’ny fanentanana miantefa amin’ny mponina rehetra. Eo ihany koa ny fanatonana ireo tobim-pahasalamana any amin’ny faritra lavitra, ary ny fisian’ny olona maro mbola tsy mahalala ny sata ara-pahasalamany (statut sérologique). Etsy an-daniny, mbola maro ireo manana fahazarana mety mampitombo ny fahazoana na ny fanaparitahana ny otrikaretina.
Ilaina ny fitiliana mialoha ny VIH sy ny farasisa
Manoloana ireo vokatra ireo dia manolo-kevitra ny hanamafisana ny fampahafantarana sy ny fanentanana, amin’ny ambaratonga rehetra, ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa. Kendrena ny hahafahan’ny vehivavy bevohoka rehetra misitraka fitiliana VIH sy farasisa, mandritra ny fizaham-pahasalamana voalohany ataony. Ankoatra izany, ilaina ny fanohizana ny fanaparitahana ireo tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, ny fanamafisana ny famatsiana fanafody sy fitaovana ara-pitsaboana, ary ny fampandraisana anjara bebe kokoa ny fikambanana isan-tsokajiny, ireo tambajotran’ny olona miaina miaraka amin’ny VIH, ary ny vondrona ara-pivavahana, izay mahakasika akaiky ny vahoaka.
Mampahatsiahy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana, fa tena ilaina ny fitiliana ny VIH sy ny farasisa eo am-piandohan’ny fitondrana vohoka. Raha fantatra mialoha mantsy ny aretina dia azo tanterahina avy hatrany ireo fitsaboana mahomby hiarovana ny fahasalaman’ny reny sy hisorohana ny fifindran’ny aretina amin’ny zaza.




