• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Croc Anôsy
Image
Vaovao

Fitsinjaram-pahefana : Hamafisina ny fitantanana ifotony sy ny fahaiza-manao nomerika any Atsimo

03/06/2026 13:34 © Moov

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Camp Flacourt, Tôlagnaro, ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eny anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra hitsinjaram-pahefana sy ny solontenam-panjakana eny ifotony, any amin’ny faritra atsimo. Isan’izany ny faritra Anôsy, Androy ary Atsimo Andrefana, izay mpisitraka ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.

Fanavaozana ny fitantanana eny ifotony

Tanterahina miaraka amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny oniversiten’i Toliara sy Fianarantsoa ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika ny hetsika. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fitantanana ifotony amin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fanapariahana fitaovana nomerika maoderina.
Notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera ny lanonam-panokafana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany avy amin’ny faritra sy ny distrika voakasika. Nandritra izany no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo lohamilina (serveurs) miisa telo ho an’ny distrikan’i Tôlagnaro, Amboasary Atsimo ary Betroka, ho fanohanana ireo ivontoerana fanohanana sy loharanom-baovao ary ireo sehatra nomerika vaovao.
Anisan’ireo lohahevitra ifotoran’ny atrikasa ny fanapariahana ny Dispositif District 2.0, ny fanamafisana ny fahaiza-manao fototra amin’ny teknolojia nomerika ary ny fampiasana ny sehatra fanangonana sy fanadihadiana angon-drakitra “e-Zaha”.

Fampiasana ny nomerika ho fampandrosoana

Haharitra dimy andro isaky ny distrika ny fiofanana. Tanjona ny hahafahan’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina mampiasa bebe kokoa ny teknolojia nomerika amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra mifototra amin’ny angon-drakitra azo antoka.
Araka ny vinavina napetraka, ivontoerana fanohanana sy loharanom-baovao 16 no hapetraka sy hampiasaina ao amin’ireo distrika voakasiky ny tetikasa. Etsy ankilany, tompon’andraikitra kaominaly miisa 940 no hahazo fiofanana momba ny fampiasana ny fitaovana informatika sy ny sehatra “e-Zaha”.
Raha ny vinavina amin’ity tetikasa ity dia hitondra fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Mifandray amin’izany ihany koa ny fanamafisana ny fampandrosoana eny anivon’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana noho ny fampiasana bebe kokoa ny teknolojia nomerika.

Lire la suite

Articles Similaires