• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © I.A Rvk
Image
Vaovao

Lefakozatra : Afaka mamindra aretina amin’olona miisa 5 hatramin’ny 7 ny olona iray mitondra ny « poliovirus »

03/06/2026 13:19 © Moov.Mg

Isan’ny nivoitra nandritra ny Filàn-kevitry ny Minisitra, omaly 2 jona 2026, fa nahitana trangana lefakozatra tany Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. Mampanahy ny tranga toy izao, na dia mbola vao tokana monja aza, satria ny olona iray voa dia mety hamindra amin’olona maromaro. Maika, noho izany ny fandraisana fepetra fiarovana.

Aretina azo avy amin’ny loto

Herintaona monja taorian’ny nanambaran’ny OMS tamin’ny fomba ofisialy ny fiafaran’ny valanaretina lefakozatra teto Madagasikara, amin’ilay karazany « poliovirus de type 1 », dia nahitana trangana lefakozatra indray tany amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo, ny lefakozatra dia aretina mamindra haingana, indrindra amin’ny ankizy latsaky ny dimy taona. Mifindra amin’ny alalan’ny loto avy amin’ny tanana maloto, rano tsy madio na sakafo voapoizina ny tsimokaretina. Raha tsy voaaro amin’ny vaksiny ny ankizy, dia mora ny hahavoan’ny aretina azy ireo, izay mety ho tonga hatrany amin’ny fahalemena na fahasembanana maharitra.

Raha ny nambaran’ny manam-pahaizana, dia matetika no tranga hita maso, manafina tranga hafa, ny fahitana olona tratran’ny aretina lefakozatra tahaka izao. Raha misy zaza iray voa mantsy, dia mety efa misy olona maro hafa mitondra ny tsimokaretina, saingy tsy ahitana soritr’aretina. Voalaza fa ny olona iray mitondra « poliovirus « dia afaka mamindra izany amin’olona miisa 5 hatramin’ny 7, raha tsy misy fepetra fiarovana sy raha tsy vita vaksiny ny manodidina. Any amin’ny toerana be olona sy marefo ara-pahadiovana aza, dia mety mbola hitombo izany tahan’ny fifindrana izany.

Vaksiny sy fahadiovana

Noho io antony io dia atahorana ny mety hiparitahan’ny aretina manerana ny Nosy, raha tsy voafehy haingana ny fiparitahan’ny tsimokaretina any amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo. Isan’ny laharam-pahamehana ny fanaovana vaksiny faobe, ho an’ny ankizy latsaky ny dimy taona, ao anatin’ny faritra voakasika sy ireo distrika manodidina. Mila amafisina, miaraka amin’izay, ny fanaraha-maso ara-pahasalamana. Anisan’ny fepetra tokony horaisina ihany koa ny fitsirihana ny rano maloto, mba hahitana raha miely any amin’ny tontolo iainana ny « poliovirus ». Ankoatra izay dia lahasa tokony atao ny fampiakarana ny tahan’ny ankizy vita vaksiny, satria araka ny nambaran’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), dia tokony hahatratra 90 hatramin’ny 95% ny tahan’ny ankizy vita vaksiny, vao tena ho voasakana ny fihanaky ny aretina.

Ankoatra ny vaksiny dia zava-dehibe, ho an’ny rehetra, ny fanajana ny fahadiovana. Manentana ny rehetra, araka izany ny mpiasan’ny fahasalamana, mba hanasa tanana amin’ny savony sy rano madio, rehefa avy any amin’ny trano fivoahana sy alohan’ny hikarakarana sakafo. Rano madio sy azo antoka ihany koa no tokony hosotroina. Ilaina, ankoatra izay, ny fanasana ny sakafo, toy ny voankazo sy legioma, mialohan’ny hihinanana azy. Ary zava-dehibe sy tena tokony atao ny ady amin’ny fangerena an-kalamanjana, izay loharanon’ny fiparitahan’ny tsimokaretina.

Lire la suite

Articles Similaires