Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Sina : Nahazo fampitaovana ny Mpitsoka Mozikan’ny Governemanta
Nanamafy indray ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fiaraha-miasa eo aminy i Madagasikara sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, tamin’ny alalan’ny fanolorana fanamiana sy zava-maneno ho an’ny Mpitsoka Mozikan’ny Governemanta. Notanterahina teny Mahazoarivo, androany 2 jona 2026, ny lanonana ofisialy nandraisana izany fanomezana izany.
Fiaraha-miasa mafy orina
Fanamiana miisa 32 sy zava-maneno isan-karazany miisa 34 no natolotry ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina ho an’ny Mpitsoka Mozikan’ny Governemanta. Nanotrona ny lanonana nandraisana izany, androany maraina, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara, Ji Ping. Nambaran’ny Praiminisitra, nandritra izany, fa maneho ny hatsan’ny fifandraisana sy ny kalitaon’ny fiaraha-miasa misy eo amin’y firenena roa tonta, izay efa nisy hatry ny ela, izao fanomezana izao. Naneho fankasitrahana manokana an’i Sina ihany koa izy, noho ny fanohanana omeny an’i Madagasikara amin’ny sehatra maro samihafa.
Tonga amin’ny fotoana ilana azy indrindra ireo fitaovana vaovao ireo, satria mifanaraka amin’ny vinan’ny fitondram-panjakana hanavao ny fitaovan’ny Mpitsoka Mozikan’ny Governemanta. Ity vondrona mpanao mozika ity rahateo dia anisan’ireo mariky ny fiandrianam-pirenena sy singa iray mitahiry ny lova ara-tantara sy ara-panjakana malagasy.
Tombontsoa iombonana
Talohan’ny lanonana dia nandray ny masoivohon’i Sina tao amin’ny biraony, teny Mahazoarivo hatrany, ny Praiminisitra. Fihaonana voalohany teo amin’izy roa tonta izany, ka nanoloran’ny masoivohon’i Sina firariantsoa ho an’ny lehiben’ny governemanta amin’ny andraikitra vaovao sahaniny. Nandritra ny dinika dia noresahina ny fanapahan-kevitry ny Governemanta sinoa hanafoana ny haban-tseranana amin’ireo entana avy amin’ireo firenena afrikanina maro, ka anisan’ny misitraka izany i Madagasikara. Azo inoana fa hitondra tombontsoa ara-barotra sy ara-toekarena ho an’ny firenena roa tonta izany fepetra noraisina izany, hoy ny praiminisitra.
Isan’ny nifantohan’ny dinika, ankoatra izay, ny ady amin’ny hosoka sy ny fanasana an’i Madagasikara hiditra ao anatin’ny « Union Internationale Anti-Fraude ». Samy niara-niaiky ny andaniny sy ny ankilany fa mitaky fiaraha-mientan’ny firenena maro ny fiatrehana izany olana izany ary vonona amin’ny fiaraha-miasa momba io ady amin’ny hosoka io i Madagasikara.




