Faha-50 taonan’ny JIRAMA : notokanana ny fotodrafitrasa vaovao mahavokatra rano 22.000 m3 isan’andro
Nankalaza ny faha-50 taonany ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA), androany 15 mey 2026, teny Mandroseza. Nandritra izany no nanokanana fotodrafitrasa vaovao fanadiovana rano afaka mamokatra rano fisotro madio 22.000 m3 isan’andro. Ho an’ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitry ny JIRAMA, dingana lehibe amin’ny fanarenana ny orinasa sy ny fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo izao zava-bita izao, na dia mbola betsaka aza ireo fanamby miandry.
Fotoana hanombohana pejy vaovao
Nandritra ny lahateniny dia nanambara ny tale jeneralin’ny JIRAMA, ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana, fa tsy fijerena ny lasa fotsiny izao faha-50 taona izao, fa fotoana hanombohana vanim-potoana vaovao ho an’ny orinasa. Notsindriany fa maro ny sedra nolalovan’ny JIRAMA nandritra izay antsasaky ny taonjato izay, saingy efa miroso amin’ny dingam-panarenana ankehitriny. Nambarany fa hiorina amin’ny lalan-tsaina “HOPE” izany fanarenana izany. Ny “H” dia « Humilité », na fanetren-tena, ny “O” dia « Opportunité », izay fahaizana mamadika ny sakana ho hery enti-mandroso, ny “P” dia « Proactivité » sy « Promptitude », na fandraisana andraikitra mialoha sy haingana, ary ny “E” dia « Emulation », izay midika fifaninanana masina.
Araka ny fanazavany dia tsy maintsy adika ho asa mivaingana izany lalan-tsaina izany, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny famokarana rano sy herinaratra, fanarenana tambajotra, fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ary ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly.
Mamaha ny olan’ny rano, amin’ny ampahany
Nisongadina nandritra ity fankalazana ity ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao fanadiovana rano eny Mandroseza. Raha ny nambaran’ny minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, dia afaka mamokatra rano fisotro madio hatramin’ny 22.000 m3 isan’andro ity fitaovana vaovao ity. Mbola tsy ampy anefa izany, satria mahatratra 100.000 m3 isan’andro eo ho eo ny banga eo amin’ny filàn’ny mponina eto Antananarivo sy ny famatsian-drano misy ankehitriny. Na izany aza, hitondra fanamaivanana lehibe ho an’ny Renivohitra ity fotodrafitrasa ity. Rehefa ampiana sy amafisina ny famokarana eny Mandroseza 2bis, dia mahatratra 42.000 m3 isan’andro ny rano vokarina eny an-toerana. « Midika izany fa hitombo ny rano tsinjaraina ary hihena tsikelikely ireo faritra tratran’ny fahatapahan-drano matetika », hoy ny minisitra.
Misy rano very any anaty tambajotra
Nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaë, fa efa misy ny vokatra azo amin’ny ezaka ataon’ny Fanjakana amin’ny famahana ny olan’ny rano sy ny jiro. Notsiahiviny izay efa nambarany hatrany am-piandohana, dia ny hoe : hovahana tsikelikely ao anatin’ny fotoana fohy ny ampahany betsaka amin’ny olan’ny rano, na dia mbola tsy ho voavaha tanteraka aza izany amin’izao. Nambarany fa tsy eto Antananarivo ihany no anaovana ezaka momba ny jiro sy ny rano, fa manerana an’i Madagasikara. Efa misy, hoy izy, ireo vondrona mpihary herinaratra natolotra tany amin’ny faritra toa an’i Manakara, Ihosy ary Ambovombe, mba hanamaivanana ny olana mianjady amin’ny JIRAMA. Namafisiny ihany koa fa efa tonga ireo fantsona vaovao hanoloana ireo fantsona efa tranainy eto Antananarivo. Antony iray mahatonga fahaverezan-drano betsaka mantsy ny fahasimban’ny tambajotra, indrindra rehefa ela tsy nandeha ny rano. Miteraka fahavakisn’ireo fantsona zary malemy ny fiverenany miasa indray.
Nilaza kosa ny solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck, fa olona iray tapitrisa mahery eto Antananarivo no vinavinaina hahazo rano fisotro madio amin’ny alalan’ny tetikasa PAAEP (Tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio). Notsindriany anefa fa tokony ho tonga any amin’ny tokantrano ny rano vokarina rehetra. Amin’izao fotoana izao mantsy dia tombanana ho very any anaty tambajotra simba ny 30 hatramin’ny 40%-n’ny rano vokarina. Anisan’ny nanohana ny fanatanterahana ity fotodrafitrasa notokanana teny Mandroseza ity moa ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Fanjakana japoney, niaraka tamin’ny Fanjakana malagasy. Ho fanamarihana ity faha-50 taonan’ny JIRAMA ity dia nisy ihany koa ny fanolorana loka ho an’ireo nandresy tamin’ny fifaninanana famoronana sary famantarana vaovao ho an’ny orinasa.




