Skin icing : Manadio sy mahatsara tarehy amin'ny Eau Glacé
Mampiroraka ny hodi-tava ny rano mafana : marina. 'Ndao àry hanandrana "eau glacé" fa tsy rano mangatsiaka tsotra na rano matimaty intsony.
Anisan'ny faritra tena karakarain'ny andriambavilanitra ny tarehy. Tsy vitsy ireo manokana vola misimisy amin'ireo karazana "produits cosmétiques" hikarakarana izany tarehy izany. Maro ihany koa nefa ireo vokatra natoraly mety hanampy amin'ny fikarakarana isan'andro.
"Eau glacé" hanasana tarehy
"Elastique" ny hodi-tava. Raha rano mafana no hanasana azy dia mety hiroraka ilay hoditra ka tsy hiverina amin'ny laoniny intsony. Raha tiana hipetraka tsara ny hoditra dia fadiana ny hafanana. Ny hatsiaka araka izany no manamafy ny "pores", ka misoroka ny fahanteran'ny hoditra.
Raha "eau glacé" no ampiasaina dia mihena ny fivontosana (noho ny torimaso) sy ny bongobongo (noho ny havizanana). Manazava ny hoditra ihany koa ny hatsiaka, ka manamXpy amin'ny fanalàna ireo karazana tasy. 30 segondra fotsiny no ilaina isa-maraina, ka rano mangatsiaka nasiana "glaçons" no ampiasaina.
-Sasana amin'ny "savony doux" ny tarehy, kobanina tsara
-Atsofoka anatina "bol" misy "eau glacé" ny tarehy, atsoboka in-telo
-Petapetahina moramora amin'ny "serviette" malefaka mba ho maina tsara
Inona no atao raha mihofaka ny tarehy ?
Efa manomboka mangatsiaka ny andro. Maromaro araka izany ireo vehivavy mitaraina noho ny tarehy lasa maina na mihofaka. Raha tojo izay olana izay, rano vonton-katsiaka ihany no hanasana ny tarehy isa-maraina, saingy mila mampiasa "crème hydratante" mifanaraka amin'ny karazan-koditra. Kendrena ihany koa mba ho "produits cosmétiques" tsara kalitao no ampiasaina, indrindra ho an'ireo tia manao "maquillage".


