Viriosy, bakteria, katsentsitra : inona no maha samihafa azy ireo ?
Maro amintsika no manafangaro ny viriosy, bakteria sy katsentsitra (parasite) rehefa miresaka aretina. Tena samy hafa nefa izy ireo, na amin’ny toetrany izany na amin’ny fomba fiasany. Ny fahafantarana ny mampiavaka azy ireo dia manampy antsika hahafantatra tsara kokoa ny aretina aterany sy ny fitsaboana mifanaraka aminy.
Ny viriosy : miditra an-keriny ary mila sela iray mba ho velona
Ny viriosy no kely indrindra amin’ireo otrikaretina. Tsy manana sela mandrafitra azy izy ary tsy afaka miteraka samirery. Mba hihamaroany dia tsy maintsy miditra ao anaty sela velona izy ary mampiasa ny rafitr’ilay sela.
Rehefa tafiditra ao izy, dia ampiasainy ny fiasan’ilay sela mba hamokatra viriosy vaovao. Matetika izany dia manimba na mamono ilay sela voan’ny aretina ateraki’ilay viriosy. Anisan’ny aretina azo avy amin’ny viriosy ny gripa, sery, ary aretina hafa mety ho mafy kokoa.
Tsy mahomby amin’ny viriosy ny antibiotika. Ny fitsaboana dia mifototra amin’ny fanafody « antiviral » na amin’ny fisorohana, toy ny fanaovana vaksiny.
Ny bakteria : « organisme » afaka miaina samirery
Ny bakteria dia « organisme » misy sela singany iray. Afaka miaina sy miteraka samirery izy ireo, tsy mila miditra ao anaty sela hafa.
Tsy ratsy daholo ny bakteria rehetra : maro amin’izy ireo aza no ilaina amin’ny fahasalamantsika, indrindra ireo ao amin’ny tsinay (microbiote). Na izany aza nefa dia misy bakteria sasany mety miteraka aretina, toy ny aretin-tenda, « infection urinaire », na tiberkilaozy.
Matetika dia azo tsaboina amin’ny antibiotika ny aretina azo avy amin’ny bakteria, na dia mihamitombo aza ankehitriny ny fanoheran’ireo bakteria sasany ireo fanafody ireo.
Ny katsentsitra : mivelona amin’ny vatana hafa
Ny katsentsitra na ny « parasite » dia « organisme » sarotra kokoa satria izy mety ho voarafitra sela iray na sela maro. Mivelona amin’ny alalan’ny fakana ny hery sy ny sakafo ilainy avy amin’ny zavamananaina hafa (hôte) izy ireo.
Misy karazany maro ny katsentsitra : misy kely tsy hita maso, ary misy kosa hita maso toy ny kankana ao an-kibo. Anisan’ny aretina aterany ny tazomoka sy ny aretina sasany amin’ny tsinay.
Miankina amin’ny karazana katsentsitra ny fitsaboana, ary matetika dia mampiasa fanafody manokana antsoina hoe « antiparasitaire » izany.
Inona no maha zava-dehibe ny fahaizana manavaka ireo otrikaretina ireo ?
Zava-dehibe ny mahafantatra ny maha samy hafa ny viriosy, bakteria ary katsentsitra. Voalohany, tsy mitovy ny fitsaboana : ny antibiotika dia mahomby amin’ny bakteria ihany, fa tsy miasa amin’ny viriosy na katsentsitra. Faharoa, tsy mitovy ihany koa ny fomba fifindrany sy ny fomba hisorohana azy.
Noho izany, ny fahafantarana ny fahasamihafan’ireo otrikaretina ireo dia manampy amin’ny fisorohana sy fitsaboana mahomby kokoa.


