Kaikitry ny bibikely : ny « réactions » ara-dalàna sy ny tokony hampanahy
Toe-javatra fahita matetika ny kaikitry ny bibikely, indrindra any amin’ny faritra mafana sy mando toy ny eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia tsy mampidi-doza izy ireny, fa miteraka fanelingelenana kely eo amin’ny hoditra fotsiny ihany. Misy ihany nefa tranga sasany mety ho sarotra na mampanahy ka mila fitsaboana haingana.
Ny « réactions » ara-dalàna aorian’ny kaikitry ny bibikely
Ny ankamaroan’ny kaikitry ny bibikely (toy ny moka, vitsika, parasy, tantely) dia miteraka:
-Fivoara-mena manodidina ny kaikitry,
-Fivontosana kely,
-Hidihidy,
-Fahatsapana hafanana na mavaivay malefaka.
Matetika dia miseho malaky ireo soritr’aretina ireo ary misinda ao anatin’ny ora vitsy na andro vitsivitsy. « Réactions » ara-dalàna avy amin’ny hery fiarovana manoloana ny poizina na rora avy amin’ilay bibikely izany.
« Réactions » mahery kokoa manodidina ny faritra voakaikitry ny bibikely
Amin’ny olona sasany dia mety ho mahery kokoa ny « réactions » ateraky ny kaikitry ny bibikely, nefa mbola tsy mampidi-doza :
-Fivontosana lehibe kokoa (indraindray mihoatra ny santimetatra maromaro),
-Mivoara-mena miparitaka,
-Mangidihidy mafy,
-Fanaintainana eo amin’ilay toerana voakaikitra.
Na dia mampatahotra aza izany, dia matetika voafetra amin’ilay faritra voakaikitry ihany.
« Réactions allergiques » : rahoviana no tokony hanahy?
Misy olona mety haneho « allergie » mahery vaika vokatry ny kaikitry ny bibikely. Ireto avy ny famantarana mampanahy:
-Tandimerina miparitaka amin’ny vatana (urticaire),
-Fivontosana amin’ny tarehy, molotra na hodi-maso,
-Fahasarotana miaina na fahatsapana tsy mahazo rivotra,
-Fanina na fahalemena tampoka.
Ireo soritr’aretina ireo dia mety ho famantarana « réactions » mahery vaika (anaphylaxie), izay « urgence médicale ».
Famantarana aretina vokatry ny kaikitry ny bibikely
Raha aotraorina mafy ny faritra voakaikitry ny bibikely dia mety hampiditra bakteria sy hahatonga tsimokaretina. Anisan’ny famantarana mety mitranga ny hoe :
-Mihitatra tsikelikely ny faritra mivoara-mena,
-Mihamafy ny fanaintainana,
-Misy nana,
-Indraindray misy tazo.
Raha izany no mitranga dia mila fitsaboana avy amin’ny dokotera (antiseptika na antibiotika).
Inona no tokony atao raha voakaikitry ny bibikely?
-Sasana amin’ny rano sy savony ilay faritra,
-Petahana « compresse » mangatsiaka hanalefahana ny fivontosana,
-Mampiasa « crème » mampitony na « antihistaminique » raha misy,
-Tsy aotraorina mba tsy hiharatsy.


