• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vitabio
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba fanaovana « crumble aux pommes »

24/04/2026 16:42 © Moov.Mg

Amin’izao faran’ny herinandro izao dia entina amintsika eto ny fomba fanamboarana « crumble aux pommes ». Tsindrin-tsakafo avy any Angletera izay tena matsiro ary mety amin’ny ankizy sy ny lehibe izy io. Tsy mila akora sarotra hita ny fanaovana azy ary tsy sarotra ihany koa ny fikarakarana. Araho àry !

Ireo akora ilaina raha hanao « crumble aux pommes »

Ho an’ny paoma
-Paoma 5 n 6 (Golden na Reinette),
-Siramamy misy lavanila 1 fonosana (na lavanila 1 sotrokely),
-Siramamy 2 sotro fihinanana,
-Dibera ½ ny sotrokely (tsy voatery)
Ho an’ny “crumble” :
-Lafarinina 120 g,
-Siramamy 100 g,
-Dibera mangatsiaka 100 g,
-Sira kely iray tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

-Fanomanana ny paoma
Voasana, esorina ny vaoniny, avy eo tetehana ho madinika ny paoma.
Atao anaty vilany na lovia mahazaka lafaoro.
Arotsaka ny siramamy lavanila ary afangaro moramora.
Raha tiana dia asio dibera kely mba hahamora malefaka azy rehefa masaka.
-Fanamboarana ny “crumble”
Afangaro ao anaty lovia jobo ny lafarinina, siramamy ary sira.
Ampiana ny dibera mangatsiaka notapatapahana madinika.
Kosehina amin’ny rantsan-tànana mandra-pahatonga ho toy ny fasika madity sy mivolombolamena.
-Fampifangaroana sy fandrahoana
Aparitaka eny ambonin’ny paoma ny fangaro “crumble” mandra-pahasarona azy tsara.
Atsofoka anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C. Andrahoina 30 hatramin’ny 35 minitra mandra-pahazo loko volamena tsara ny ambony.

Torohevitra sy fanovàna

Azo ampiana poara na voankazo mena raha tiana ampiana tsiro samihafa.
Raha tiana ho manitra kokoa dia soloina vovon’amandy ny ampahany amin’ny lafarina.
Aroso mafana miaraka amin’ny « glace vanille » na « crème fraîche ».

Lire la suite

Articles Similaires