• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Snrt News
Image
Fahalalana Ankapobeny

Famakiana boky 10 minitra isan’andro : ireo vokatsoa aterak’izany

23/04/2026 11:56 © Moov.Mg

Efa resahana ombieny ny tombontsoa azo amin’ny famakiana boky. Ankoatra ny fampitomboana ny fahalalana dia mahasoa ny fahasalamana ara-tsaina izany. Fantatrao ve fa ny famakiana boky 10 minitra isan’andro fotsiny dia efa mitondra vokatsoa maro, indrindra ho an’ny atidoha sy ny rarintsaina ? Araho eto ny fanazavana mikasik’izany.

Famakiana boky 10 minitra isan’andro : manentana avy hatrany ny atidoha

Rehefa mamaky boky isika, na dia vetivety aza, dia miara-miasa avy hatrany ny faritra maro ao amin’ny atidoha. Tsy mitovy amin’ny rehefa mijera zavatra fotsiny, toy ny mijery fahitalavitra na tambajotra sosialy, fa ny famakiana dia mampihetsika :
-ny faritra mifandraika amin’ny fiteny,
-ny fitadidiana,
-ny fifantohana,
-ny famoronan’ny saina.
Io fiaraha-miasan’ireo io no manamafy ny fifandraisan’ny sela ao amin’ny atidoha. Raha tsorina, ny famakiana boky matetika dia manampy ny atidoha ho mavitrika sy mahay miovaova.
Na 10 minitra isan’andro fotsiny aza dia efa ampy hanombohana izany, raha tena mifantoka tsara.

Mampihena ny rarintsaina

Efa nasehon’ny fikarohana fa afaka mampihena ny rarintsaina ao anatin’ny minitra vitsy ny famakiana. Tsotra ny antony : rehefa mifantoka amin’ny lahatsoratra isika, dia voasinton’izany ny saintsika ka lasa tsy mieritreritra ireo zavatra mampanahy.
Mihena ny fitempon’ny fo, miala tsikelikely ny fihenjanan’ny hozatra, ary lasa milamina kokoa ny toe-tsaina.
Mety hiseho ao anatin’ny latsaky ny 10 minitra izany vokany izany. Midika izany fa fomba mora sy mahomby hialana sasatra ara-tsaina ny famakiana boky, na dia fohy aza ny fotoana ananantsika.

Manatsara tsikelikely ny fifantohana

Ny famakiana boky na lahatsoratra dia mitaky ezaka amin’ny fifantohana. Rehefa atao isan’andro izany, dia toy ny manao fanazaran-tena ho an’ny atidoha. Vokany :
-mora mifantoka kokoa,
-mihena ny fiparitahan’ny eritreritra,
-mora mahavita asa hatramin’ny farany kokoa.
Fanazaran-tsaina tena manan-danja tokoa ireo 10 minitra isan’andro ireo amin’izao tontolo feno fanelingelenana izao.

Misy fiantraikany amin’ny fitadidiana sy ny fahaiza-misaina

Rehefa mamaky isika dia mila mitahiry « informations », manaraka tantara na mahatakatra hevitra. Midika izany fa miasa ny fitadidiana akaiky sy ny fitadidiana maharitra.
Ny fanaovana izany matetika dia afaka :
-manatsara ny fitadidiana,
-mampitombo ny voambolana,
-manamafy ny fahatakarana.
Marina fa tsy hita avy hatrany ny vokany, fa rehefa mandeha ny fotoana dia tena tsapa.

Ahoana no hanombohana azy mora ?

Raha mbola tsy zatra mamaky boky matetika ianao, dia andramo izao :
-mifidiana boky tena mahaliana anao,
-mametraha fotoana raikitra isan’andro,
-atombohy amin’ny 5 ka hatramin’ny 10 minitra,
-esory ny fanelingelenana (ataovy mangina ny telefaonina).
Ny tanjona dia ny hahafinaritra ny famakiana boky, fa tsy ho adidy.

Lire la suite

Articles Similaires