Ireo fahazarana maraina mitondra vokatsoa mandritra ny tontolo andro
Misy fiantraikany amin’ny fahombiazan’ny tontolo andro ny fahazarana maraina na ny « routine matinale ». Misy fahazarana sasany, sady tsotra nefa mahomby, afaka manova ny hery, ny fifantohana sy ny toe-tsaina dieny vao mifoha ary entina miatrika ny tontolo andro. Araho eto ny santionany amin’ireo fahazarana maraina tsara ampiharina.
Fahazarana maraina mitondra vokatsoa : mifoha amin’ny ora raikitra
Miasa araka ny « rythme biologique » na gadona voajanahary ny vatana. Ny fifohazana amin’ny ora raikitra isan’andro, eny na amin’ny faran’ny herinandro aza, dia manampy amin’ny fandrindrana io gadona io. Raha manaraka io fahazarana maraina io dia ho mora kokoa ny mifoha, mihena ny havizanana ary mihatsara ny kalitaon’ny torimaso.
Tsy mijery finday avy hatrany
Ny fijerena hafatra na tambajotra sosialy vao mifoha dia mampiditra « informations » be loatra ao an-tsaina ary mety hiteraka rarin-tsaina. Mba hanombohana ny andro amin’ny saina mazava sy tony dia tsara kokoa ny maka 20 hatramin’ny 30 minitra ho an’ny tena alohan’ny hidiran’ny fanelingelenana ivelany.
Misotro rano avy hatrany
Fahazarana maraina mitondra vokatsoa maro ny fisotroana rano iray vera rehefa vao mifoha maraina iny. Rehefa avy natory nandritra ny ora maro tokoa mantsy dia very rano ny vatana. Ny fisotroana rano vao mifoha dia manetsika indray ny fiasan’ny vatana, manatsara ny fahamailoana ary manomana ny fandevonan-kanina.
Mihetsika, na dia kely aza
Tsy voatery hanao fanatanjahan-tena mafy isan-maraina. Ny fanalefahana hozatra, ny fitsangatsanganana kely, na fanazaran-tena 10 minitra dia efa ampy hanatsarana ny fikoarian’ny ra sy hanaitra ny vatana. Manampy amin’ny fanatsarana ny toe-po koa izany noho ny famoahan’ny vatana “endorphines”.
Maka hazavana voajanahary
Zava-dehibe amin’ny fandrindrana ny fiasan’ny vatana ny hazavan’ny masoandro. Fahazarana maraina tokony atao ny fanokafana varavarankely rehefa vao mifoha iny. Mety foana na sokafana vetivety aza, izany mba hahafantaran’ny vatana fa tonga ny fotoana ifohazana sy iasana. Ankoatra izay dia mampitombo ny fahamailoana ihany koa izany.
Mametra tanjona ho an’ny tontolo andro
Tsy voatery hanao lisitra lava be. Fidiana fotsiny izay tena laharam-pahamehana na tanjona mazava iray. Ny fanaovana izany dia manampy hisorohana ny fiparitahan’ny saina mandritra ny tontolo andro sy hahatsapana rehefa hariva hoe tsy very fotsiny ny andro fa nahavita zavatra.
Mihinana sakafo maraina mety amin’ny tena
Tsy mitovy ny filàn’ny olona tsirairay amin’ny sakafo maraina. Zava-dehibe ny fihainoana ny vatana. Ny sakafo voalanjalanja, manankarena proteinina sy otrikaina, dia manampy hitazonana ny herin’ny vatana sy hisorohana ny havizanana amin’ny maraina.



