Fahatezerana : tandremo fa mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana !
Fihetseham-po mafy izay mety hiseho vokatry ny toe-javatra maro eo amin’ny fiainana andavanandro ny fahatezerana : tsy rariny, fahadisoam-panantenana, na fahatsapana ho voahitsakitsaka. Na dia voajanahary aza izy io dia mety hanimba ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina raha tsy voafehy na maharitra ela. Inona tokoa àry ny mety ho fiantraikan’ny fahatezerana eo amin’ny fahasalamana ary ahoana no hiatrehana izany ?
Fahatezerana : mitarika fiovana eo noho eo ao amin’ny vatana
Rehefa tezitra ny olona iray dia miditra amin’ilay antsoina hoe « mode alerte » na fiomanana hiady na handositra ny vatana. Mandritra izany dia mamoaka hormonina toy ny « adrénaline » sy « cortisol » izy. Ireto farany moa dia mitarika fiovana maro eo noho eo :
-Miakatra haingana ny fitempon’ny fo,
-Mihabetsaka ny tsindry (pression) ao amin’ny lalan-dra ka mampiakatra ny tosidrà,
-Mifoka rivotra haingana sy lalina kokoa,
-Mihenjana ny hozatra.
Ireo fiovana ireo dia natao hiarovana ny vatana amin’ny loza, saingy rehefa mitranga matetika dia mety hanimba tsikelikely ny taova.
Fiantraikany amin’ny fo sy ny lalan-dra
Ny fahatezerana tsy voafehy dia isan’ireo antony mety hampidi-doza amin’ny aretim-po. Rehefa miakatra matetika ny tosidrà dia:
-Mety ho simba ny lalan-dra,
-Mihabetsaka ny « risques » hahavoan’ny aretim-po sy fahatapahan’ny lalan-dra,
-Mety hiteraka fitempon’ny fo tsy ara-dalàna.
Ny olona mora tezitra na mitahiry hatezerana dia mety ho mora tratran’ireo olana ireo, indrindra raha tsy manao fanaraha-maso ara-pahasalamana.
Fihenjanan’ny hozatra sy olana ara-batana
Rehefa tezitra dia mihenjana ny hozatra, indrindra amin’ny faritra sasany amin’ny vatana, toy ny tenda sy soroka, lamosina, vava sy valanorano… Io fihenjanan’ny hozatra vokatry ny fahatezerana io dia mety hiteraka :
-Fanaintainana maharitra,
-Aretin’andoha,
-Fahatsapana ho reraka na mavesatra.
Raha tsy voafehy io fihenjanana io dia mety hitarika aretina mitaiza amin’ny hozatra sy taolana.
Fiantraikany amin’ny rafi-pandevonan-kanina
Ny fahatezerana dia misy fiantraikany lehibe amin’ny fandevonan-kanina satria miova ny fomba fiasan’ny vatana:
-Mihena na miova ny famokarana ranon-tsakafo,
-Mety hiteraka aretin-kibo na fanaintainana,
-Mety hahatonga tsy fahazakana sakafo.
Amin’ny toe-javatra sasany moa dia mety hiteraka aretina mitaiza toy ny « gastrite » na olana amin’ny tsinay izany.
Fiantraikany amin’ny torimaso
Ny olona tezitra matetika dia sarotra mahita torimaso milamina. Mety ho:
-Sarotra mahita tory,
-Mifoha matetika amin’ny alina,
-Mahatsiaro reraka na tsy ampy torimaso.
Ny tsy fahampian-torimaso dia mampitombo indray ny fahasosorana sy ny fahatezerana, ka lasa mitarika « cercle vicieux ».
Fiantraikany amin’ny hery fiarovan’ny vatana
Ny fahatezerana maharitra dia mety hampihena ny hery fiarovan’ny vatana. Midika izany fa:
-Mora tratran’ny aretina ny olona,
-Maharitra ela kokoa ny fahasitranana,
-Mihena ny fahafahan’ny vatana miady amin’ny mikraoba.
Ny fivoahan’ny hormonina be loatra mandritra ny fahatezerana moa no mahatonga izany.
Fiantraikany amin’ny fahasalamana ara-tsaina
Ankoatra ny vatana dia misy vokany amin’ny saina ihany koa ny fahatezerana:
-Mety hiteraka tebiteby sy fahaketrahana,
-Mampitombo ny adin-tsaina,
-Mety hanimba fifandraisana amin’ny hafa.
Ny olona tsy mahafehy fahatezerana dia mety hanana fahasahiranana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.
Ny fomba mahomby hifehezana sy hitantanana ny fahatezerana
Araka ny voalaza teo ambony dia fihetseham-po voajanahary ary mety hiseho amin’ny olona rehetra amin’ny andavanandrom-piainana ny fahatezerana. Mila hay kosa nefa ny mifehy sy mitantana azy io mba tsy hahatonga azy hitarika olana amin’ny fahasalamana. Anisan’ny fomba manampy hanatanterahana izany ny :
-Fifohana rivotra lalina mba hampitony haingana ny vatana rehefa tezitra,
-Fanaovana fanatanjahantena mba hifehezana ny adin-tsaina sy hanatsarana ny toe-po,
-Firesahana amin’ny olona atokisana mba hamoahana ny ao am-po,
-Fanaovana fialamboly toy ny mozika, famakiana boky, na fitsangatsanganana,
-Fanaovana « méditation » mba hanaraha-maso sy hitantanana ny fihetseham-po.



