Fitantanana fivarotana madinika : torohevitra hisorohana ny fatiantoka
Fitadiavam-bola isan’ny be mpanao eto amintsika ny fivarotana madinika. Mitaky ezaka sy fahamailoana amin’ny lafin-javatra maro ny fitantanana azy ireny fa tsy mijanona amin’ny fananana tsena sy fivarotana ny entana fotsiny ihany. ‘Ndeha ary ho zaraina eto ireo torohevitra manan-danja amin’ny fitantanana ny fivarotana madinika mba hampiroboroboana azy sy hisorohana ny fatiantoka.
Fitantanana fivarotana madinika : fehezina tsara ny fitantanana ny tahirin’entana
Ny tsy fahaizana mitanana ny tahirin’entana (stocks) dia isan’ireo antony lehibe mahatonga fatiantoka eo amin’ny fivarotana madinika. Raha be loatra ny entana dia mihitsoka ny vola ary mety ho simba na tsy lafo intsony ireo tahiry. Raha vitsy kosa indray dia mety ho lany tampoka ka ho very mpanjifa.
Mba hisorohana izany dia ilaina ny:
-Manara-maso tsy tapaka ny entana miditra sy mivoaka,
-Mamantatra ireo entana miadana ny fiodiny,
-Ahitsy arakaraky ny fandehan’ireo entana ny tahirin’entana.
Arahana akaiky ny tombombarotra sy ny fandaniana
Zava-dehibe ny fahafantarana tsara ny tombombarotra mba haharetan’ny asa. Tsy ampy ny hoe mivarotra fotsiny fa tsy maintsy mahay mametraka ny vidiny mety. Mila dinihana matetika ny :
-Masonkarena ividianana ny entana,
-Fandaniana raikitra (hofan-tsena, jiro, karama),
-Fandaniana miovaova.
Ny fanaraha-maso akaiky ireo lafin-javatra ireo dia manampy amin’ny fanitsiana ny vidin’entana na fampihenana ny fandaniana tsy ilaina.
Ahena ny fatiantoka avy amin’ny entana tsy lafo
Ny entana tsy lafo dia miteraka fatiantoka mivantana. Mba hampihenana izany dia ilaina ny :
-Fanaovana fihenam-bidy amin’ireo entana efa akaiky ho lany daty,
-Fampifanarahana ny entana amidy amin’ny filan’ny mpanjifa,
-Fanaovana fanandramana entana vaovao amin’ny habetsahana kely ary manampy izany raha hita fa mandeha.
Tsara kokoa ny mivarotra amin’ny vidiny ambany noho ny tsy mahalafo mihitsy.
Tandremana ny halatra sy ny fahadisoana
Ny halatra sy ny fahadisoana kajy amin’ny vola ihany koa dia mety miteraka fatiantoka. Mba hisorohana izany dia tsara raha :
-Mametraka fitaovana fiarovana (caisse) na fanaraha-maso (caméra) raha azo atao,
-Manofana ny mpiasa hanatsarana ny fomba fiasa,
-Manara-maso tsy tapaka ny vola sy ny tahirin’entana.
Ny fahamailoana dia manampy betsaka amin’ny fisorohana ireo olana ireo.
Ampitomboana hatrany ny fitokisan’ny mpanjifa
Mora kokoa ny mitazona mpanjifa efa misy noho ny mitady vaovao. Ny fifandraisana tsara amin’ny mpanjifa dia manampy amin’ny fitazonana ny varotra:
-Raisina tsara hatrany ny mpanjifa (mitsiky, mahalala fomba, matotra),
-Mihaino ny filan’ny mpanjifa,
-Jerena tsara ny kalitaon’ny entana amidy (indrindra ny daty).
Ny mpanjifa afa-po dia hiverina ary hampahafantatra ny hafa.



