• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Allafrica
Image
Vaovao

Fahasalamana : Miisa 68 ireo toerana afaka hanaovana ny vaksiny Mpox eto Analamanga

11/04/2026 12:10 © Moov

Efa misokatra ho an’ny rehetra ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox amin’izao fotoana izao. Raha ho an’ny faritra Analamanga fotsiny dia miisa 68 ireo toerana hahafahana manatanteraka izany.

Nametrahana toerana isaky ny Distrika

Mbola mitombo hatrany ny isan’ny olona voan’ny aretina Mpox. Ity aretina ity izay tafiditra teto Madagasikara, ny volana desambra 2025, raha tsiahivina. Mba hahafahana miaro tena sy miaro ny hafa, ka hampijanona ny fifindrany dia nampidirina ny vaksiny. Raha natao ho an’ireo olona tena marefo, dia ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo mpampanofa fahafinaretana sy ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH, izany teo aloha, dia efa azon’ny rehetra hatao ankehitriny.
Raha ho an’ny faritra Analamanga manokana dia nametrahana toerana afaka hanaovana vaksiny avokoa ny Distrika miisa 8. Ho an’ny Distrikan’Ambohidratrimo dia azo raisina ao amin’ny CSB2 Ambohitrimanjaka, CSB2 Antehiroka, CSB2 Mahitsy, CSB2 Ivato Aéroport, CSB2 Talatamaty ary ny SDSP Ambohidratrimo.
Andramasina : SDSP Andramasina, CSBU Andramasina, CSB2 Alatsinainy Bakaro, CSB2 Ambohimiadana, CSB2 Mandrosoa.
Anjozorobe : CSBU Anjozorobe, CSB2 Betatao, CSB2 Ambatomanoina, CSB2 Antanetibe Anativolo, CSB2 Mangamila
Ankazobe : CBU Akazobe, CSB2 Fihaonana, CSB2 Mahavelona, CSB2 Ambohitromby, CSB2 Marondry
Antananarivo Antsimondrano : CSB2 Faliarivo, CSB2 Andoharanofotsy, CSB2 Ambohijanaka, CSB2 Anosizato Oest, CSB2 Cité, CSB2 ItaosY, CSB2 Tanjombato, CSB2 Anjomakely, CSB2 Fenoarivo
Antananarivo Avaradrano : CTI Anosy Avaratra, CSBII Sabotsy Namehena, CSBII Ankadikely, CSBII Ambohimangakely, CSBII Alasora, CSBII Masindray, CSBII Ampahimanga Ambohimanambola, CSBII Ambohimalaza, CSBII Talatavolonondry, HJRB Befelatanana (Service Maladies Infectieuses)
Antananarivo Renivohitra : Centre Hospitalier Soavinandriana (CENHOSOA), CSB I Isotry Central, CSB Isotry Annex, CSS Tsaralalana, CSMI Tsaralalana, CARMMA Antohomadiniκα, CSB2 Andohalo, CSB2 Ambohipo, CSB2 Ampasanimalo, CARMMA Antsahamamy, CSB2 Antanimena, CSB2 Mahamasina, CSB2 Anosipatrana, CSB Analamahitsy, CSB2 Amboniloha, CARMMA Andraisoro, CSB2 Ambohimanarina, CSB2 Ambohidroa, CSB2 Andranomena, CSB2 Soavimasoandro
Manjakandriana : CSBU Manjakandriana, CSB2 Alarobia, CSB2 Ambatomena, CSB2 Carion, CSB2 Ankazondandy.

Tranga vaovao miisa 39

Raha ny antontan’isa nivoaka farany, ho an’ny andron’ny 9 aprily teo dia miisa 39 indray ireo tranga voamarina vaovao. Miparitaka amin’ny toerana maro no nahitana ireo tranga vaovao ireo, toy ny tany Nosy Be, Toliara, Sambava, Antananarivo Renivohitra, sy ireo hafa. Araka izany, hatramin’ny 18 desambra 2025 dia miisa 860 ireo tranga efa voaisa. Manamafy izany fa mola mitoetra ity aretina ity ary ilain’ny rehetra ny fiarovan-tena amin’izany, amin’ny alalan’ny vaksiny.
Marihina fa eny amin’ireo Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka na Tobim-pahasalamana akaiky ny fanazavana, mikasika ny vaksiny, ho an’ny faritra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires