• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Sosialy : Nanokatra toeram-pitsaboana ho an’ny rehetra ny Polisim-pirenena eo Tsaralalana

10/04/2026 10:19 © Moov

Polisim-pirenena manakaiky vahoaka, izany no tarigetran’izy ireo hatramin’izay. Hanatanterahana izany dia nanokatra toeram-pitsaboana ho an’ny rehetra ny Polisy misahana ny fifamoivoizana etsy amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, omaly.

Fanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka

Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fanatsaràna ny tolotra omena ny olom-pirenena izay laharam-pahamehana apetraky ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, no antony nanokafana ity toerana ity. Ankoatra ireo Polisimpirenena izay hisitraka mivantana ity toeram-pitsaboana ity dia raisina an-tanana ao ihany koa ireo olona mivezivezy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, hoy ny fanazavana. Marihina fa tsy latsaky ny 350 isan’andro, ireo olona ireo. Etsy ankilany, mba ho fanajàna ny zon’olombelona dia hisy ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo atao famotorana raha tojo tsy fahasalamana.
Notsindrian’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka fa tsy amin’ny fametrahana fotodrafitrasa vaovao sy fikolokoloana ny efa eo an-tanana ihany no imatimatesan’ny Polisimpirenena amin’ny fanatsaràna hatrany ny tolotra omena ny vahoaka ; tanjona tokony harahina ny fanatsaràna ihany koa ny fepetra ara-tsosialy ; na ho an’ny mpiasam-panjakàna ao amin’ny Polisimpirenena, na ho an’ny vahoaka. Ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka ary ny fiaraha-mientana hametrahana ny filaminana.

Birao vaovao sy toerana manokana ho an’ny Polisy

Ankoatra izay, moa dia nifanindran-dalana tamin’izany fotoana izany ny fitokanana ny birao vaovao ho an’ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalàna, ireo. Mbola niara-dalana tamin’izany ihany koa ny fitokanana ny toeram-pivarotana fitafiana amin’ny asa sy kojakoja ho an’ireo Polisimpirenena. Fararanon-danonana tao an-toerana satria dia natolotra ihany koa ireo fotodrafitrasa hafa toy ny andrin-tsaina sy fanavaozana ny ivelany sy anatiny ao amin’ny Kaomisaria Foibe.
Mariky ny firosoan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena amin’ny Fihavaozana sy Fanavaozana izao asa mivaingana izao, hoy ny fanazavan’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny fandraisam-pitenenany. Tarigetra moa ny mba ho Polisy madio sy milamina, maodely ho an’ny rehetra ary matihanina eo amin’ny fomba fiasa, izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires