Tsy ampy masoandro: ny mety ho fiantraikany amin’ny vatana sy ny saina
Zava-dehibe amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ny masoandro. Mbola maro amintsika nefa no tsy ampy taratry ny masoandro noho ny antony samihafa : variana miasa, manao raharaha ao an-trano… Marihana nefa fa mety misy fiantraikany mivantana amin’ny vatana sy ny toe-po ny tsy fahampiana masoandro. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.
Tsy ampy masoandro : mihena ny vitamina D vokarin’ny vatana
Anisan’ny fiaintraikany voalohany ateraky ny tsy fahampian’ny masoandro ny fihenan’ny famokaran’ny vatana vitamina D. Io vitamina io nefa dia mandray anjara lehibe amin’ny fanamafisana ny taolana noho izy manampy amin’ny fandraisana ny « calcium ». Raha tsy ampy ny vitamina D dia mety hiteraka havizanana, fanaintainana amin’ny hozatra sy ny tonon-taolana, ary fahalemen’ny taolana. Mety hihena ihany koa ny hery fiarovan’ny vatana ka mora andairan’ny aretina.
Mikorontana ny « horloge biologique »
Ny hazavana voajanahary entin’ny taratry ny masoandro dia manampy amin’ny fandrindrana ny « horloge biologique » na ny famataranandro ao amin’ny vatana. Raha tsy ampy izany dia mety hikorontana ny torimaso: sarotra mahita tory, ratsy torimaso, ary lasa reraka rehefa mifoha. Izany toe-javatra izany moa dia mety hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro.
Fiantraikany amin’ny toe-po
Ny masoandro dia mampitombo ny famokaran’ny vatana ny hormonina mifandray amin’ny fahatsapana fahasambarana izay antsoina hoe « sérotonine ». Raha mihena ity farany dia mety hiseho ny fahakiviana, fahasosorana, ny tsy fahazotoana hanao zavatra, na ny alahelo. Amin’ny olona sasany dia mety hitarika amin’ny fahaketrahana mifandray amin’ny tsy fahampian’ny taratry ny masoandro mihitsy izany.
Mihena ny hery sy ny fahavitrihana
Ny tsy fahampiana taratry ny masoandro ihany koa dia mety mampihena ny hery sy ny fahavitrihana. Mety tsy te hivoaka intsony, tsy te hihetsika, ary tsy te hifandray amin’ny hafa. Mety hiteraka « cercle vicieux » moa izany satria arakaraka ny tsy hivoahana ny trano no mampihena ny taratry ny masoandro azo, ka vao mainka mihena ny hery sy ny toe-po.
Ahoana no hisorohana izany ?
Misy fomba tsotra hisorohana ireo voka-dratsin’ny tsy fahampiana masoandro ireo. Tsara ny miezaka mahazo taratry ny masoandro isan’andro, na dia minitra vitsy ihany aza. Ny fanaovana fanatanjahantena eny ivelany, ny fampidirana hazavana ao an-trano, na ny fihinanana vitamina D araka ny torohevitry ny mpitsabo dia afaka manampy.



