Ny vokatry ny tsy fampihetseham-batana amin’ny fahasalamana
Maro amintsika ny miaina anatin’ny « sédentarité » na ny tsy fampihetseham-batana firy. Izany hoe mipetraka lava na mandry lava fa zara raha mampiasa ny vatana. Ny fiovan’ny fomba fiaina sy ny asa ary ny fampiasana fitaovana nomerika (toy ny finday sy solosaina) moa matetika no anton’izany. Mazava ho azy fa mety misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny tsy fampihetseham-batana ka andeha ho resahana eto ny santionan’izany.
Tsy fampihetseham-batana : misy fiantraikany amin’ny fo sy ny lalan-dra
Anisan’ny voakasika voalohany amin’ny vokadratsin’ny tsy fampihetseham-batana ny fo sy ny lalan-dra. Mora mitahiry tavy ao anatin’ny lalan-dra ny vatana rehefa tsy mihetsiketsika. Izany moa dia mampitombo ny « risques » hampisy tosidrà avo sy aretim-po. Mety hihena ihany koa ny fivezivezen’ny ra ary hitarika olana toy ny « thrombose » izay fisian’ny ra mivaingana mibahana ao anatin’ny lalan-dra.
Fitomboan’ny lanja sy aretina mifandray amin’ny « métabolisme »
Ny tsy fahampian’ny fampihetsiketseham-batana dia mampihena ny kaloria doran’ny vatana. Vokany, lasa miangona ho tavy ireo kaloria ka mitarika fitomboan’ny lanja sy hatramin’ny hatavezana loatra (obésité). Mety hiteraka aretina toy ny diabeta sokajy faharoa ihany koa izany satria mihena ny fahafahan’ny vatana mampiasa ny « insuline ».
Fiantraikany amin’ny hozatra sy ny taolana
Rehefa tsy mihetsika matetika ny vatana dia mihamalemy ny hozatra sy ny taolana. Mety hiseho ny fanaintainana, indrindra eo amin’ny lamosina, hatoka ary soroka. Mihena ihany koa ny tanjaky ny taolana, ka mampitombo ny « risques » hahazoana aretin’ny taolana toy ny « ostéoporose ».
Fiantraikany amin’ny saina sy toe-po
Tsy hatreo amin’ny vatana ihany ny fiantraikan’ny tsy fampihetsiketseham-batana fa mahakasika ny saina ihany koa. Ny « sédentarité » dia mety hitarika fahaketrahana, tebiteby sy adin-tsaina. Ny fanetsiketseham-batana mantsy dia manampy amin’ny famokarana hormonina mampifaly na ny « endorphine ». Raha tsy ampy izany dia mety hihena ny fahatsapana hafaliana sy fahasambarana.
Fisorohana sy vahaolana
Mba hiadiana amin’ny tsy fanetsiketseham-batana na « sédentarité » dia ilaina ny fampiasana kokoa ny vatana amin’ny fiainana andavanandro. Ohatra, mandeha tongotra matetika, mampiasa tohatra fa tsy « ascenceur », maka fotoana iatoana kely hitsanganana sy hihetsiketsehana rehefa miasa… Tsy voatery manao fanatanjahana mafy fa fanazarana antonony dia ampy. Amin’ny ankapobeny dia tokony hampihetsiketsika vatana mandritra ny 150 minitra isan-kerinandro.



