• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hopital Universitaire Khalifa
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiomanana amin'ny ririnina : Fisorohana ny gripa sy ny sery

09/04/2026 09:50 © Moov

Zava-dehibe ny fanomanana ny vatana amin'ny vanim-potoan'ny hatsiaka. Azo atao tsara ny misoroka ireo aretina mateti-pitranga rehefa ririnina, indrindra ny gripa sy ny sery.

Tafiditra ao anatin'ny vanim-potoan'ny fararano sahady i Madagasikara, na dia mbola misy orana aza. Miha-fohy kokoa ny andro sady mamanala ny maraina sy ny alina. Miovaova be rahateo ny toetr'andro ka tsy vitsy ireo efa misedra fahasarotana ara-pahasalamana sahady. Noho izany, tokony efa samy miomana amin'ny fiavian'ny ririnina sahady ny rehetra.

Fanamafisana ny hery fiarovana

Tsy andairan'aretina firy ny olona iray rehefa tsara ny hery fiarovana (défense immunitaire). Raha toa ka efa matetika voan'ny sery na gripa rehefa mangatsiatsiaka ny andro, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana dia tokony hanova izany. Amporisihina ny fihinanana voankazo sy legioma, indrindra ireo manankarena Zinc, Oméga-3, vitamine C ary vitamine D. Anisan'ireo tokony hanina matetika ny voasary, ny hazandranomasina, ny tongolo, ny sakamalaho ary ny vokatra avy amin'ny ronono. Mahasoa ihany koa ny fisotroana "thé au citron", mamiana amin'ny tantely.

Fitandrovana ny fahadiovana

Mety hahavoan'ny sery na gripa ny hamandoana sy ny loto ao an-trano. Noho izany, tsara raha sokafana tsara ny varavarankely isan'andro, mba hidiran'ny masoandro, ny hazavana ary ny rivotra. Amporisihina ihany koa ny rehetra hanatanteraka fanadiovana lehibe (grand-ménage) indray mandeha isam-bolana farafahakeliny : akisaka ireo fanaka isan-karazany mba hanalana ireo vovoka sy karazan-doto.
Tsiahivina ihany koa fa mora mifindra ny sery sy ny gripa. Tsara araka izany ny manasa tanana matetika na mampiasa "gel désinfectant". Azo atao ihany koa ny mampiasa "cache-bouche" rehefa any anaty fiara fitaterambahoaka na toerana mihidy be olona. Tsara ny miakanjo mafana hatrany, ka hanesorana fotsiny rehefa mahatsiaro mafana amin'ny atoandro. Ferana araka izay azo atao ny lomano.

Lire la suite

Articles Similaires