Fomba tsotra fanaovana « quiche au poulet » matsiro vita ao an-trano
Isan’ireo nahandro ankafizin’ny rehetra, na ny ankizy na ny lehibe ny « quiche ». Azo karakaraina amin’ny fomba maro karazany izy io ka ny fanaovana ny « quiche au poulet » no zaraina eto indray. Tsy mandany fotoana be ary tsy dia mila akora lafo ny fanaovana azy nefa dia matsiro tokoa. Araho àry !
Ireo zavatra ilaina raha hanao « quiche au poulet »
-« Pâte brisée » (efa natoro teto ny fikarakarana azy raha hanamboatra ao an-trano, azo vidiana vita ihany koa),
-Nofon’akoho 250g,
-Atody 3,
-« Crème fraîche » 20sl na « lait écrémé »
-Tongolo 1,
-Fromazy voakiky 100g,
-Sira sy dipoavatra,
-Menaka kely na dibera.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Omanina ny nofon’akoho. Tetehana atao somary madinika fa tsy atao kely loatra koa nefa. Tetehana manify ny tongolo. Endasina miaraka amin’ny menaka kely ny akoho sy ny tongolo voatetika. Asiana sira sy dipoavatra. Avela ho masaka tsara ka rehefa mahazoazo loko kely dia bataina teo ambony afo.
Omanina ny fangaro. Kapohana ao anaty lovia jobo ny atody. Arotsaka ao ny « crème fraîche » na ny ronono tsy misy taviny. Tohizana kapohana tsara ary asiana sira sy dipoavatra kely.
Miditra amin’ny « montage » ny « quiche au poulet ». Velarina ny « pâte brisée » ary apetraka ao anaty lasitra. Aparitaka tsara eo amboniny ny akoho sy ny tongolo nendasina teo. Avy eo araraka eo ambonin’ireo farany ilay fangaro atody sy « crème fraîche ». Rarahana fromazy voakiky eo amin’ny farany ambony.
Andrahoina ny « quiche ». Atao anaty lafaoro efa nafanaina 180°C. Avela ho masaka ao mandritra ny 30 hatramin’ny 40 minitra eo ho eo. Rehefa mahazo loko ny tampony dia vita ny nahandro.




