• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Reny&Zaza

Ireo zavatra mila tandremana amin’ny fikarakarana zaza menavava

19/03/2026 14:25 © Moov.Mg

Traikefa sady feno hafaliana no mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainana ny ray aman-dreny ny fandraisana zaza vao teraka, indrindra moa amin’ny zaza voalohany. Mety hisy fotoana hahatsapana reraka sy very hevitra rehefa mbola tsy zatra mitaiza. Misy fotoana ihany koa mety hanao fahadisoana kely raha mbola tsy ampy traikefa sy fiomanana. Ireto manaraka ireto àry ny santionany amin’ny zavatra mila tandremana tsara rehefa mikarakara zaza menavava.

Diovina tsara hatrany ny tanana alohan’ny hikarakarana ny zaza menavava

Mbola marefo ny hery fiarovan’ny zaza vao teraka. Raha tsy manasa tanana alohan’ny hikasihana azy ny ray aman-dreny na ny mpitaiza azy dia mety hampiditra mikraoba sy aretina ao aminy. Zava-dehibe araka izany ny fanasana tsara ny tanana alohan’ny hikirakirana ny zaza menavava, ohatra rehefa handray, hampinono na hanome solon-dronono, hanolo… azy.

Kobokobonina be loatra na atao mianjakanjaka loatra ny zaza

Matetika ny ray aman-dreny dia matahotra sao mangatsiaka ny zaza ka mampitafy na mifono azy be loatra. Indraindray ihany koa nefa mihevitra izy ireo fa mitovy ny fahatsapany ny hafanana ety ivelany ny tsapan’ny zaza menavava ka lasa ataony mianjakanjaka ilay zaza. Tsotra ny fitsipika tokony arahana : ampiana sosona iray mihoatra noho izay anaovan’ny tena olon-dehibe ny zaza. Jerena ny hatony mba hahafantarana raha mafana (tsemboka) na mangatsiaka (marikoditra) loatra izy.

Fantarina hatrany ny antony mety mampitomany ny zaza menavava

Ny fitomaniana no fomaba ifandraisan’ny zaza amin’ny manodidina azy. Tsy tokony hodiana tsy re na atao tsirambina arak’izany ny zaza menavava rehefa mitomany. Mety noana izy, tsy mahazo aina, reraka na te hotrotroina. Zava-dehibe ny famaliana haingana ny filàny fa tsy avela hitomany ela izy.

Fanotsokotsoana ny zaza

Tena mampidi-doza ny fanotsokotsoana ny zaza menavava. Mety hiteraka fahasimbana lehibe ao amin’ny atidohany ny fanaovana izany satria mbola tsy hary tsara ny karan-doha sy ny ao anaty lohan’ny zazakely. Mety tsy tandrina ohatra rehefa vizaka na misy zavatra mahasorena ka lasa ho mafy loatra ny fihetsika handraisana na hampitoniana ny zaza mitomany. Mba hisorohana izany dia aleo apetraka amin’ny toerana azo antoka ny zaza ary maka aina kely raha sendra reraka na misy zavatra mahasorena.

Arahana tsara ny fitsirihana ara-pahasalamana

Zava-dehibe ny fanaraha-maso ataon’ny mpitsabo mba hijerena ny fitomboan’ny zaza sy hahitana mialoha izay olana mety hitranga. Tsy tokony hohadinoina na hahemotra izany. Amin’ny ankapobeny dia tokony entina mandeha manao fitsirihana ara-pahasalamana indray mandeha isam-bola any amin’ny mpitsabo zaza sy ankizy (pédiatre) ny zazakely.

Fadiana ny mandray torohevitra tsy voamarina

Maro ny torohevitra avy amin’ny fianakaviana, namana, aterineto.... Tsy izy rehetra no azo antoka. Ny fampiharana torohevitra tsy voamarina mikasika ny fikarakarana ny zaza menavava dia mety hampidi-doza, indrindra ny mikasika ny fahasalamany. Aleo manatona matihanina amin’ny fahasalamana foana raha misy zavatra mampanahy.

Lire la suite

Articles Similaires