• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Ahoana ny atao mba hitoe-jaza haingana : ireo torohevitra mety hanampy

18/03/2026 11:54 © Moov.Mg

Fanirian’ny mpivady maro ny hahazo zaza haingana. Marina fa samy hafa ny vatana sy ny toe-pahasalaman’ny tsirairay, nefa kosa misy fomba tsotra sy mahomby afaka manampy hampitombo ny vintana ho bevohoka. Ireto àry misy torohevitra mazava sy mora arahina.

Fantarina tsara ny tsingerin’ny fadimbolana

Zava-dehibe mampitombo ny fahafahana mitoe-jaza ny fahafantarana ny fotoana maha lonaka ny vehivavy (ovulation). Matetika izy io dia mitranga 14 andro mialoha ny fadimbolana manaraka. Ny fotoana mety tena mety hahabevohoka dia 4–5 andro mialoha ny « ovulation » sy ny andro isehoany.
Amin’izao vaninandron’ny fandrosoana izao dia azo atao ny mampiasa « application » hanaraha-maso ny tsingerin’ny fadimbolana. Efa misy ihany koa ny « test d’ovulation » azo jifaina eny amin’ny farmasia mba hanaraha-maso ny tsiranoka (glaire cervicale) mba hamantarana ny fe-potoana maha lonaka. Ny fanaovana firaisana amin’io fotoana io no mampitombo be ny vintana ho bevohoka.

Manao firaisana ara-nofo matetika sy amin’ny fotoana mety

Mila manao firaisana ara-nofo isaky ny 2 na 3 andro mandritra ny fe-potoana maha lonaka ny vehivavy. Tsara raha isan’andro na isaky ny roa andro mandritra io fotoana io. Na izany aza nefa dia tsy tokony hanery tena loatra satria mety hampitombo ny rarintsaina izany ka mampihena ny vintana hahabevohoka indray.

Mihinana sakafo mahasalama sy mampitombo ny « fertilité »

Misy fiantraikany amin’ny fahafahana mitoe-jaza ny sakafo. Raha maniry ny ho bevohoka haingana dia manampy betsaka ny fihinana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo sy legioma, proteinina (trondro, atody, tsaramaso), tavy tsara (zavoka, voanjo, menaka oliva). Misy ihany koa etsy andaniny ireo sakafo tsara fadiana na ferana tanteraka toy ny siramamy be loatra, alikaola, kafe be loatra.

Mampihatra fomba fiaina ara-pahasalamana

Mba hampitombo ny vintana ho bevohoka haingana kokoa dia mila mampihatra fomba fiaina ara-pahasalamana. Noho izany dia mila :
-Atsahatra ny fifohana sigara,
-Ahena ny fisotroana toaka,
-Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka (fa tsy atao tafahoatra),
-Matory tsara ,
-Fehezina ny rarintsaina satria mety hanelingelina ny hormonina mifehy ny « ovulation » izany.
Ny lanja tafahoatra na ambany loatra dia mety hisy fiantraikany amin’ny « ovulation ».

Zahana ny fahasalaman’ny taova fiterahana

Raha tsy mbola bevohoka ny vehivavy iray dia mila manantona manatona mpitsabo rehefa :
-1 taona niezahana ho an’ny latsaky 35 taona
-6 volana niezahana ho an’nymihoatra ny 35 taona
Atao ny fitiliana ny :
-Hormonina
-Kalitaon’ny tsirinaina
-Toetry ny tranon-jaza sy ny « trompes »

Lire la suite

Articles Similaires