Fisotroana rano ampy : tena ilaina mandritra ny fitondrana vohoka
Tsy fombafomba fotsiny ihany ny fisotroana rano ho an’ny vehivavy bevohoka, fa tena antoky ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibo. Ny rano mantsy no mampandeha tsara ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka sy manampy ny zaza hitombo ara-dalàna. Ireto manaraka ireto àry misy antony lehibe tokony hisotroana rano matetika rehefa bevohoka.
Fanavaozana ny rano manodidina ny zaza na « liquide amniotique »
Ny rano manodidina ny zaza ao am-bohoka na « liquide amniotique » dia ahitana rano eo amin'ny 98 %. Izy io no miaro ny zaza amin’ny « chocs », mitazona ny maripanan’ny vatany ho tsy miovaova, ary mamela ny avokavoka sy ny fandevonan-kanin’ny zaza hiforona tsara.
Marihana fa io « liquide amniotique » io dia tsy rano mihandrona fa miova sy manavao tena imbetsaka isan’andro. Noho izany, raha tsy ampy rano ny reny dia mety hihena ny habetsak’io rano manodidina ny zaza io. Raha izany no mitranga dia lasa tery loatra ny toerana hahafahan’ity farany mihetsiketsika ao an-kibo.
Ankoatra izay, ny fisotroan’ny bevohoka rano ampy dia manampy ny vatana hitazona io « liquide amniotique » io ho madio sy tsara kalitao hatrany. Izany moa dia tena ilaina amin’ny fifanakalozana eo amin’ny reny sy ny zaza.
Fitomboan'ny habetsaky ny rà
Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo eo amin’ny 40 % hatramin’ny 50 % ny habetsaky ny rà ao anatin’ny vatan’ny vehivavy mba hamelomana ny tavony (placenta) sy ireo taova rehetra miasa mafy.
Ny fisotroana rano ampy dia mahatonga ny rà ho ranoka tsara. Izany moa dia manamora ny fitaterana ny « oxygène » sy ny otrikaina mankany amin’ny zaza ao am-bohoka.
Etsy andaniny, ny fisotroana rano tsara mandritra ny fitondrana vohoka dia manampy amin’ny fandaminana ny tosi-drà sy manampy ny fo, izay miasa mafy kokoa mandritra ny sivy volana.
Tombontsoa ho an'ny fikorianan'ny ran'ny reny
Ny fikorianan’ny rà tsara noho ny fisotroana rano dia mampihena ny fanaintainana mpahazo ny vehivavy bevohoka. Anisan’izany ny :
-Fampihenana ny fivontosana (oedèmes). Diso ny fiheverana fa mampivonto ny rano. Ny ny fisotroana azy bebe kokoa kosa dia manampy ny vatana hanary ny sira (sodium) tafahoatra ary mampihena ny fivontosan’ny tongotra.
-Fisorohana ny aretina. Ny rano dia manadio ny tatavia, izay manampy amin’ny fisorohana ny « infection urinaire », izay mety hisy fiantraikany amin’ny voa sy ny fikorianan’ny rà.




