• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes Cuisinier
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra 4 manampy hitsitsiana ireo entana ilaina isan’andro (PPN)

17/03/2026 11:40 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’izao fiandohan’ny taona 2026 izao. Eo ny vary, ny menaka, ny siramamy ary ny saribao; saika sahirana avokoa ny tokantrano maro amin’ny fitantanana ny teti-bola. Azo atao tsara ny mitsitsy ireo entana ilaina isan’andro na PPN (Produits de Première Nécessité) amin’ny alalan’ny fanovana kely ny fahazarana sy ny fandaminana maty paika. Ireto ary misy soso-kevitra tsara ampiharina.

Fitsitsiana ny teti-bolan’ny PPN : aleo mividy ambongadiny

Rehefa mividy antsinjarany foana isika dia lasa lafo lavitra ny fandaniana rehefa atambatra ny volana iray.
Raha tsy zakan’ny teti-bolanao irery ny mividy vary iray gony, ohatra, dia azo atao ny miaraka mividy izany amin’ny mpianakavy, mpiara-miasa… avy eo hifampizarana. Ny fividianana ambongadiny dia ahafahana mahazo "prix grossiste" sy miantoka ny tahiry ho an’ny iray volana.
Mila manararaotra ny fotoana maha-be ny vokatra na ny fahatongavan’ny entana maro eny an-tsena ihany koa mba hanangonana tahiry kely amin’ireo entana tsy mety simba (siramamy, sira, savony). Izany dia mba hahafahana miatrika ny fiakaran’ny vidin’entana tampoka.

Ampitahaina tsara ny vidin’entana

Rehefa miantsena dia tsy mionona amin’ny mpivarotra iray ihany. Misy elanelany be matetika ny vidin’entana eo amin’ny fokontany iray sy ny iray hafa, na eo amin’ny tsena samihafa.
Tsena lehibe vs Episeria : Ny tsena lehibe (toy ny any Anosibe na Isotry) dia manolotra vidiny mirary kokoa raha oharina amin’ireo episeria madinika eny akaikin’ny trano fonenana.
Ankoatra izay dia mila manara-maso ny vidin’entana. Matetika ny fanjakana dia manao hetsika hanamafisana ny vidin’ny PPN. Mila arahana tsara ny "prix plafond" na ny vidiny farany ambony navoakan’ny manampahefana mba tsy ho voasolokin’ireo mpivarotra manararaotra.

Mianatra mitsitsy ny angovo

Ny fitsitsiana ny PPN dia miaraka amin’ny fitsitsiana ny angovo ampiasaina amin’ny fikarakarana azy.
Raha mampiasa saribao dia tsikaritra fa miovaova be ny vidin’ny gony amin’izao. Aleo mampiasa fatana mitsitsy izay mampihena hatramin’ny 50 % ny fandaniana saribao ao an-tokantrano.
Manampy amin’ny fitsitsiana ny angovo amin’ny fandrahoana sakafo ihany koa ireo fikafika samihafa manafaingana ny fahamasahan’ny nahandro. Ho an’ny voamaina ohatra dia lomana anaty rano mandritra ny ora vitsy mialoha ny handrahoana azy mba ho mora malemy.

Manao kahie fitantanam-bola hentitra

Manomboka amin’ny penina sy taratasy ny ady amin’ny fisondrotan’ny vidim-piainana.
Soratana ny zava-drehetra. Izany dia mba anarahana isan’andro ny fandaniana natao mba hahitana izay fandaniana tsy ilaina loatra.
Manao lisitry ny entana ho vidiana. Tsy mandeha miantsena mihitsy raha tsy misy lisitra mazava. Izany dia mba hisorohana ny fividianana zavatra tsy tena ilaina, na fividianana entana efa misy ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires