Fanabeazana: Tratran’ny famaizana amin’ny fomba mahery setra ny 85%-n’ny ankizy malagasy
Mandona ny saina ny vokatry ny fanadihadiana MICS 2024-2025 (MICS-7) izay vao navoakan’ny Ivontoerana nasionaly misahana ny antontan'isa (INSTAT) sy ny UNICEF vao haingana, raha ny momba ny famaizana ireo ankizy 1 ka hatramin’ny 14 taona eto Madagasikara no jerena. Tratran’ny famaizana amin’ny fomba mahery setra avokoa mantsy ny 85%-n’ny ankizy malagasy, ary tsy mifidy saranga na toeram-ponenana izany tranga izany.
Fomba famaizana efa mahazatra ny herisetra
Toa efa fomba raiki-tampisaka sy saika mitovy manerana ny Nosy ny famaizana na fanasaziana ny ankizy amin’ny fomba mahery setra. Raha jerena ny fivoaran’ny tarehimarika teo anelanelan’ny taona 2018, nanatanterahana ny fanadihadiana MICS-6, sy ity fanadihadiana natao tamin’ny taona 2024-2025 ity, dia tsy misy fiovana firy ny zava-misy. Mbola manodidina ny 85 % amin’ny ankizy no iharan’ny endrika fanasaziana mahery setra, raha 86 % izany taha izany tamin’ny taona 2018.
Misy anefa ny lalàna malagasy (Lalàna n°2007-023) izay mandrara ny herisetra ara-batana na ara-tsaina atao amin’ny ankizy. Ny tarehimarika azo avy amin’ny fanadihadiana MICS-7 dia mampiseho fa tranga fahita izany, na ho an’ny tokantrano an-drenivohitra na ambanivohitra, ary na eo amin’ireo sahirana na eo amin’ny manan-katao.
Ny herisetra ara-tsaina no tena mahazo vahana
Raha velabelarina kokoa, dia ny 85,8 %-n’ny tokantrano an-tanàn-dehibe ary ny 84,9 %-n’ny tokantrano ambanivohitra no mampihatra herisetra ara-batana, na herisetra ara-tsaina amin’ny zanaka, mba ho sazy. Raha ny fari-piainana kosa, dia ny 82,5 %-n’ny fianakaviana mahantra indrindra, sy ny 84,6 % amin’ireo fianakaviana manan-katao, dia samy manasazy ny zanany amin’ny fomba mahery setra avokoa. Ny herisetra ara-tsaina no endrika herisetra mahazo vahana indrindra, izay mahakasika ny 77 %-n’ny ankizy. Ny famaizana ara-batana kosa dia mbola mihatra amin’ny 62 %-n’ny ankizy.
Raha ireo tarehimaika ireo no jerena dia azo heverina ho olana ara-kolontsaina sy ara-drafitra eto Madagasikara ny fampiharana sazy mahery setra amin’ny ankizy. Mba hanatrarana ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD), izay mikendry ny hampitsaharana ny endrika herisetra rehetra amin’ny ankizy, dia tena ilaina ny fiovana toe-tsaina sy fiovam-pihetsika eto Madagasikara. Misy fanovana ifotony tokony atao ihany koa, mikasika ny fahefan’ny ray aman-dreny, mba tsy ho heverina ho tsirefesi-mandidy izy ireny, fa hiaro ny ankizy amin’ny endrika herisetra rehetra.




