Fanadihadiana MICS-7 : Manana andraikitra amin’ny fampahafantarana ny zava-misy marina ny mpanao gazety
Mila miainga amin’ny tena zava-misy marina ny fanapahan-kevitra raisin’ireo mpitondra Fanjakana sy ireo mpisehatra isan-tsokajiny, raha tena tiana hipaka amin’ny vahoaka. Manana anjara andraikitra amin’ny fampitana sy ny fampahafantarana izany zava-misy izany ny mpanao gazety. Izany indrindra no antony anofanana azy ireo, mba hahay hamaky sy hampiasa ny vokatry ny fanadihadihana MICS-7, izay vao navoaka tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny herinandro lasa teo.
Fanadihadiana mahakasika lafin-javatra maro
Ny 2 martsa 2026 lasa teo no namoahana tamin’ny fomba ôfisialy ny vokatry ny fanadihadiana marolafy faha-7 momba ny fiaimpiainan'ny ankizy sy ny vehivavy (Multiple Indicator Cluster Survey / MICS-7). Araka ny nambaran’ireo mpiara-miombona antoka tamin’ny fanatanterahana ity fanadihadiana ity, dia ny MICS no hany fanadihadiana tokana mandrakotra manokana ireo lafy mahakasika ny zo sy ny filàn’ny ankizy, raha ho an’i Madagasikara manokana. Araka izany, azon’ireo mpanapa-kevitra ifotorana tsara ity fanadihadiana ity, rehefa misy ny fanapahan-kevitra horaisina, izay manana tanjona ny hitondra mankany amin’ny fampandrosoana.
Antontan’isa isan-karazany, miresaka tondro (indicateurs) maro, hahafahana manombana ny fiaimpiainan’ny ankizy, ny tovovavy sy ny vehivavy ary ny tokantrano no hita ao anatin’ny fanadihadiana MICS-7. Isan’izany ny momba ny ny fahasalamana, ny fahazoana rano fisotro madio, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fisitrahana angovo, ny herisetra, ny fampiasana aterineto… Teknisianina mpikirakira antontan’isa no niasa tamin’ny fandravonana ny fanadihadiana. Zava-poana anefa ny antontan’isa raha tsy ampitaina ho fantatry ny vahoaka, hoy Rajaonaly Haga, izay nisolo tena ireo mpanao gazety miatrika fiofanana any Antsirabe, nanomboka androany 10 martsa 2026 ary haharitra telo andro.
Antontan’isa iankinan’ny fampandrosoana lovainjafy
Manana anjara andraikitra amin’ny fampahafantarana ny vahoaka sy ny mpitondra Fanjakana, ny tena zava-misy marina eny anivon’ny fiarahamonina manerana an’i Madagasikara, izay navoakan’ny fanadihadiana MICS-7, amin’ny alalan’ny antontan’isa, ny mpanao gazety. Mba hahamarina ny fandikana izay lazain’ny tarehimarika, dia ofanina izy ireo mba hahazo izany sy hahay hamaky ireo antontan’isa. Izany no hahamora ny fandraisan’ny vahoaka sy ny mpanapa-kevitra ireo antontan’isa ireo. Ireo antony ireo ihany koa no nampidirana ny mpanao gazety tao anatin’ireo dingana rehetra nolalovana tamin’ny fanatanterahana ity fanadihadiana MICS-7 ity, nanomboka tany amin’ny fanomanana, hatramin’izao fivoahany amin’ny fomba ôfisialy izao, hoy ny nambaran’ny tale miandraikitra ny serasera eo anivon’ny Ivon-toerana nasiônaly misahana ny Antontan’isa (INSTAT), Ramaroson Walderanne James Joycien. Nanamafy izany ny solontenan’ny UNICEF, Randrianasolo Zo Harilala, raha nilaza fa mpilalao fototra amin’ny fampitana sy fampahalalana ny zava-misy marina ny mpanao gazety, ary afaka manova ireo tarehimaika ho lasa tantara marina sy miantraika amin’ny besinimaro.
Miara-manaiky ny rehetra fa fitaovana afaka manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ireo antontan’isa navoitran’ny MICS-7, ka mila mahafehy ny fikirakirana izany ireo mpanao gazety, satria iankinan’ny fampandrosoana lovainjafy ny fanapahan-kevitra haorina amin’ny alalan’ireo tarehimarika ireo.




