Harena an-kibon’ny tany : Mankasitraka ny dingana nataon’ny fitondrana ny Chambre des Mines de Madagascar
Naneho fankasitrahana ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana teo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny Chambre des Mines de Madagascar, tao anatin’ny fampitam-baovao, izay navoakany androany. Nambarany fa nisy dingana lehibe natao tato anatin’ny volana vitsivitsy hanarenana sy hampandrosoana ity sehatra stratejika ho an’ny toekarena malagasy ity.
Dingana mankany amin’ny fanarenana ny sehatra
Nandritra ny dimy ambin’ny folo taona mahery, nifandimby naneho finiavana hampandroso ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ireo governemanta nifanesy teto Madagasikara, hoy izy ireo. Na izany aza, mbola tsy tena tanteraka hatramin’izay ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany, indray.
Araka ny fanazavan’ny Chambre des Mines de Madagascar anefa, nisy fiovana tsara hita tato anatin’ny volana vitsivitsy, indrindra tamin’ny fanokafana indray ny Cadastre minier sy ny fiverenana tsikelikely amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka. Ho an’ireo mpisehatra, indrindra ireo mpisehatra vaventy dia famantarana mazava, ireo fa misy ny finiavana hametraka sehatra mendrika sy mazava kokoa ho an’ny fampiasam-bola.
Fanavaozana ny rafitra ara-dalàna
Anisan’ny dingana lehibe nasongadin’ny Chambre des Mines ihany koa ny fandrosoana amin’ny fanavaozana ny rafitra ara-dalàna mifehy ny sehatra. Taorian’ny fanitsiana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany tamin’ny taona 2023 dia efa natomboka ny fifampidinihana amin’ireo mpisehatra rehetra. Nifampiesahana tamin’izany ny momba ny fanomanana ny lalàna mifandraika amin’ny tetikasa fitrandrahana goavana sy ny fametrahana ny tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana sosialy sy ny fiarahamonina.
Araka ny fanamarihan’ny Chambre des Mines de Madagascar, ireo dingana ireo dia porofo fa misy ny ezaka hametraka fitantanana mangarahara sy mahomby kokoa, izay heverina fa hanampy amin’ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Na izany aza, mbola betsaka ny fanamby atrehin’i Madagasikara amin’ity sehatra ity. Nambarany fa nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fandrosoan’ny tetikasa maro ny fahatarana sy ny fisalasalana nandritra ny taona maro, ka niteraka fatiantoka ara-toekarena ho an’ny firenena.
Manoloana izany, miantso ny fitohizan’ny fanavaozana efa natomboka ny Chambre des Mines de Madagascar. Manamafy ny fahavononany hiara-hiasa akaiky amin’ny fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra, ihany koa, izy ireo mba hampivelatra ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany matanjaka sy mahasoa ny toekarena malagasy.




