• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parkview Health
Image
Fahasalamana&Sakafo

Famantarana fa malemy na marefo ny hery fiarovan’ny vatana

09/03/2026 10:45 © Moov.Mg

Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny vatana amin’ny viriosy, bakteria ary aretina isan-karazany ny hery fiarovan’ny vatana na « système immunitaire ». Rehefa miasa tsara izy io dia afaka miaro ny vatana amin’ny fanafihan’ny mikraoba sy ny zavatra manimba avy any ivelany. Rehefa malemy kosa izy dia mora tratran’ny aretina ny vatana. Ireto ary ny santionany amin’ireo famantarana mety maneho fa tsy miasa tsara ny hery fiarovan’ny vatana.

Famantarana fa malemy ny hery fiarovan’ny vatana : marary matetika

Isan’ireo famantarana mahazatra indrindra maneho fa malemy na marefo ny hery fiarovan’ny vatana ny fahararian’ny olona matetika. Raha tratran’ny sery, gripa, na aretin’ny taovam-pisefoana matetika ianao, dia mety midika izany fa sarotra amin’ny vatanao ny miady amin’ny mikraoba. Indraindray dia mety maharitra ela kokoa ny aretina na miverimberina.

Havizanana tsy mety misinda

Ny havizanana maharitra ihany koa dia mety ho famantarana fa malemy na mihamarefo ny hery fiarovan’ny vatana. Ny fiadiana amin’ny mikraoba na otrik’aretina sy ny famokaran’ny vatana tsy tapaka ny hery fiarovana dia mandany angovo betsaka. Noho izany izany dia mety hahatsapa ho reraka foana ianao na dia efa naka aina sy natory tsara aza.

Ela kokoa ny ratra vao sitrana

Famantarana iray hafa ny faharetan’ny fahasitranan’ny ratra. Ny hery fiarovan’ny vatana dia mandray anjara lehibe amin’ny fanarenana ireo sela. Raha toa ka ela vao sitrana ny ratra, ny fery na ny rangotra dia mety midika izay fa malemy ny hery fiarovan’ny vatanao.

Olana amin’ny fandevonan-kanina

Misy ampahany lehibe amin’ny hery fiarovan’ny vatana ao amin’ny tsinay. Noho izany dia mety hisy ifandraisany amin’ny fahalemen’ny hery fiarovana ny olana toy ny kibo mibontsina, fivalanana, na fitohanana.

Aretina na olana amin’ny hoditra

Ny hoditra dia sakana voalohany miaro ny vatana amin’ny mikraoba. Raha miseho matetika ny aretin-koditra, ny fivontosana, na ny fery, dia mety ho maneho izany fa malemy ny hery fiarovan’ny vatana.

Ahoana no hanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana?

Mba hanamafisana ny hery fiarovan’ny vatana dia misy ireo fahazarana tsara ampiharina amin’ny fiainana andavanandro:
-mihinana sakafo voalanjalanja, indrindra ny voankazo sy legioma,
-matory ampy sy tsara,
-manao fanatanjahan-tena tsy tapaka,
-mifehy ny adin-tsaina,
-misotro rano ampy isan’andro.
Indraindray koa dia mety ilaina ny manatona mpitsabo na mandray fanampin-tsakafo raha maharitra na miverimberina ireo soritr’aretina. Mazava ho azy fa ilaina hatrany ny manantona mpitsabo raha misy soritr’aretina tokony hampanahy.

Lire la suite

Articles Similaires