• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Partajon
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Boissons énergisantes » : ireo mety ho vokadratsiny eo amin’ny tanora

24/02/2026 14:29 © Moov.Mg

Mahasarika tanora sy zatovo maro ankehitriny ireo zava-pisotro manome angovo na ny « boissons énergisantes ». Lazaina fa manampy amin’ny fifantohana, mampitombo hery rehefa manao fanatanjahantena ary mampihena harerahana mantsy izy ireny. Na dia aseho ho maoderina sy mampatanjaka aza izy ireny dia misy ihany koa ireo vokadratsy mety haterany amin’ny fahasalaman’ny tanoro sy ny zatovo mpisotro azy.

« Boissons énergisantes » : be kafeina loatra

Ny kafeina no singa tena mampanahy amin’ireo zava-pisotro manome angovo na « boissons énergisantes ». Ny « cannette » iray monja dia mety mitondra fatrana kafeine mitovy amin’ny kaopy kafe maromaro. Ny fihinana kafeina be loatra ho an’ny tanora sy ny zatovo, izay mbola mitombo sy mivoatra ny vatany, dia mety hiteraka :
-Tsy fahitan-tory,
-Fahasosorana sy tebiteby,
-Fitempon’ny fo haingana,
-Fiakaran’ny tosidrà.
Raha tafahoatra ny fatra dia mety hiteraka havizanana tampoka na olana amin’ny fo mihitsy aza.

Fiantraikany eo amin’ny « système nerveux »

Ankoatra ny kafeina, dia matetika misy akora manaitaitra hafa toy ny « taurine » sy « guarana » ny « boissons énergisantes ». Ireo akora ireo dia vao maika mampitombo ny « effets excitants » ny kafeina. Miasa mivantana amin’ny « système nerveux » ihany koa moa izy ireo ka mety hitarika :
-Aretin’andoha matetika,
-Tebiteby,
-Fahasarotana mifantoka,
-Fiankinan-doha.
Marihana fa tsy angovo maharitra no omen’ny « boissons énergisants » fa hery vetivety dia misinda, arahina harerahana mafy.

Ireo mety ho « risques » rehefa afangaro amin’ny alikaola

Mety hampisy « risques » eo amin’ny tanora sy zatovo misotro « boissons énergisantes » ny fanafangaroana izany amin’ny alikaola, indrindra mandritra ny fety na fiarahana amin’ny namana. Ny kafeina tokoa mantsy dia manafina ny fiantraikan’ny toaka ka mahatonga ny olona hieritreritra fa tsy mamo loatra izy na dia tena mamo aza. Izany dia mety hitarika :
-Fisotroana toaka tafahoatra,
-Fitondran-tena mampidi-doza (fitondrana fiara tsy am-piheverana, sns.),
-Fahamamoana mafy mety hampidi-doza.

Fiantraikany eo amin’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny

Ny « boissons énergisantes » dia zava-pisotro be siramamy. Raha sotroina matetika izy ireny dia mety hiteraka:
-Fitomboan’ny lanja,
-Aretina diabeta sokajy faharoa,
-Fahasimban’ny nify.

Lire la suite

Articles Similaires