• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio Canada
Image
Fahasalamana&Sakafo

Diabeta sy tosidrà avo : inona no mampitombo be ireo tranga eto Madagasikara ?

24/02/2026 10:41 © Moov.Mg

Tsy mitsaha mitombo ny olona tratry ny diabeta sy tosidrà ambony eto Madagasikara. Taloha dia noheverina ho aretin’ny « firenena mandroso » izy ireo, nefa ankehitriny dia tsikaritra fa mihatra amin’ny fianakaviana maro eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo antony mampitombo ireo aretina ireo eto Madagasikara sy ny fomba atao mba hisorohana azy ireny.

Ireo antony mampitombo ny isan’ny olona voan’ny diabeta sy tosidrà avo

Maro ireo anton-javatra sy fahazarana mampitombo ny trangana diabeta sy tosidrà ambony eto Madagasikara.

Fiovan’ny fahazarana ara-tsakafo

Lasa mihabetsaka ny sakafo voahodina (indostrialy), sakafo be sira, zava-pisotro mamy, sakafo endasina sy kiendiendy… hoanintsika amin’ny andavanandro. Vokany :
-Ny siramy be loatra mampiakatra ny tahan’ny siramamy ao anaty rà ka mety hiteraka diabeta,
-Ny sira be loatra mampiakatra ny tosidrà,
-Ny tavy be loatra mampitombo lanja, izay isan’ny antony lehibe mahatonga ireo aretina ireo.
-Ny fihinanana vary fotsy be loatra tsy ampiarahina amin’ny legioma sy proteinina ihany koa dia mety hanakorontana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà.

Tsy fahampian’ny fanetsiketseham-batana

Tsikaritra fa lasa mihena ny fivezivezena an-tongotra, indrindra ny ety an-tanàn-dehibe. Mandeha fitateram-bahoaka, fiara na kodiaran-droa ny ankamaroan’ny olona. Amin’ny fiainana andavanandro dia maro no mipetraka maharitra sy tsy manao fanatanjahantena.
Ny tsy fahampian’ny fampihetseham-batana dia manasarotra ny fifehezana ny siramamy ao anaty rà ary mampiakatra ny tosidrà.

Rarintsaina maharitra

Ny olana ara-bola sy ara-piainana dia mitarika adin-tsaina lava sy rarintsaina. Rehefa maharitra io rarintsaina io dia lasa mampiakatra tosidrà, manakorontana ny fiasan’ny vatana ary mety hampitombo ny mety hisian’ny diabeta.

Tsy fahampian’ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamana

Raha ny eto Madagasikara manoka dia tsikaritra fa tsy mbola laharam-pahamehana ny fanaovana fanaraha-maso ny toe-pahasalamana. Maro no mety ho anton’izany, toy ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny tsy fahafantarana ny maha-zava-dehibe ny fanaovana azy ireny.
Vokany : maro ny manana tosidrà ambony nefa tsy mahalala izany, efa tara vao voamarina hoe misy diabeta. Matetika tsy misy soritr’aretina mialoha izy ireo ka efa misy fahasarotana vao hita.

Inona no loza aterany ?

Raha tsy voafehy, ny diabeta sy ny tosidrà ambony dia mety hiteraka:
-Fahatapahan’ny lalan-dra (AVC),
-tsy fahampian’ny fiasan’ny voa,
-aretim-po,
-fahasimban’ny maso,
-fahatapahan-tongotra (amin’ny diabeta mafy).
Azo sorohina anefa ny ankamaroan’ireo raha voatsabo sy voafehy ara-potoana.

Ahoana no hiarovana ny tena ?

Manitsy ny sakafo :

-Ahena ny sira
-Ahena ny zava-pisotro mamy
-Fadio ny sakafo endasina matetika
-Mihinàna legioma sy anana (anisan’izany ny anana ravina), voankazo, tsaramaso sy voamadinika hafa.
-Aza mihinana vary be loatra indray mandeha; ampiaraho amin’ny legioma sy proteinina.

Manao fanetseham-batana farafahakeliny 30 minitra isan’andro

Tsy voatery hanao fanatanjahantena lafo fa ny fandehanana an-tongotra haingana, fikarakarana zaridaina na fiasana tanimboly, fandihizana, fitaingainana bisikileta… dia ampy. Ny faharetana sy ny fanaovana azy ireo tsy tapaka no zava-dehibe.

Manara-maso ny lanja

Ny hatavezana, indrindra eo amin’ny kibo, dia mampitombo ny « risques ». Na fihenan-danja kely aza (5–10%) dia efa manampy amin’ny fampihenana ny tosidrà sy ny tahan’ny siramamy be loatra anaty rà.

Manao fanaraha-maso ny toe-pahasalamana

Tena ilaina ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamana amin’ny alalan’ny fanaovana fitiliana isan-taona. Tafiditra anatin’izany ny fandrefesana ny tosidrà, ny fitiliana ny tahan’ny siramamy anaty rà, indrindra rehefa mihoatra ny 40 taona. Tsy miandry marary vao manatanteraka azy ireny mba hisorohana ny mety ho fahasarotana aterany.

Lire la suite

Articles Similaires